I Masindahy Odilon no tsaroana ny 04 janoary. Teraka ny taona 962 tao Saint-Cirgues (Haute-Loire) i Odilon. Tompomenakely tao Mercœur ao Auvergne ny fianakaviany ary nanana tany nanelanelana an'i Brioude sy Langeac. Nanomboka ny fiofanana ho Chanoine tao amin'ny fiangonan'i Masindahy Julien tao Brioude izy.
Tsy tokony hotsinotsinoavina ny vavaka am-bava. Ny vavaka am-bava no vavaky ny olona tsotra, vavaka tahaka izay nampianarin'i Jesoa antsika : Rainay any an-danitra... Ny teny tononintsika dia azontsika dinihina tsirairay ny dikany sy ny hevitra raketiny mba hiotazana voka-tsoa. Tena tsapa fa amin'ny fotoana sasany dia tsapa fa misy lanjany ary tena manome hery ny vavaka am-bava... Katesizy momba ny vavaka am-bava, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.
4 janoary 2025 — Mialoha ny Nisehoan'ny Tompo — Andro masina no manazava antsika: tongava, ry firenena, ary avia hitsaoka ny Tompo ; satria nidina ety ambonin’ny tany ny Hazavana lehibe — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Joany (Jo 1, 35-42)
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco