Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: "Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra tahaka ny voromahailala. Mitandrema, fa hotorîn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo; sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany; ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily. Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy; ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako: fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy. Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona."

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôly nanao hoe: "Raha mandeha ianareo, dia mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra. Sitrano ny marary, atsangano ny maty, diovy ny boka, roahy ny demony: nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana. Aza mitondra volamena na volafotsy na varahina ao amin’ny fehin-kibonareo, na kitapom-batsy eny an-dalana, na akanjo roa, na kiraro, na tehina, fa ny mpiasa dia mendrika homen-kanina. Ary amin’izay tanàna na vohitra hidiranareo, dia anontanio izay mendrika, hidiranareo ao, ka mitoera ao aminy ambara-pialanareo. Ary raha vao miditra ao amin’ny trano ianareo, dia miarahabà hoe: "Ho amin’itý trano itý anie ny fiadanana"; ka raha mendrika tokoa ny ao an-trano, dia ho tonga ao aminy ny fiadanana nantsoinareo; fa raha tsy mendrika kosa izy, dia hiverina aminareo ny fiadanana nantsoinareo. Ary raha misy tsy mampiantrano anareo na tsy mihaino ny teninareo, dia mialà amin’izany trano izany, na amin’izany tanàna izany, ka ahintsano ny vovoka amin’ny tongotrareo. Lazaiko marina aminareo fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma sy i Gômôra amin’ny andro fitsarana noho ny hatao amin’izany tanàna izany."

♦ Voatendry ho Lehiben'ny Fikambanan'ny Frère des Ecoles Chretiennes eto amin'ny distrikan'Antananarivo i Frère Ratsimbazafy Julien... ♦ Takian'ny mpiasan'ny Paositra Malagasy ny fanesorana ny ministra misahana azy ireo ankehitriny. Nitokona nanao hetsika fitakiana teny Antaninarenina izy ireo omaly... ♦ Any Kenya nanainga an-tanindrazana omaly hariva tamin'ny 5ora ny delegasîonan'ny ekipam-pirenena malagasy miisa telo amin'ny taranja baolina lavalava handray anjara amin'ny fifaninanana afrikana... 

♦ Voatendry ho lehiben'ny Fikambanan'ny Frères des Écoles Chrétiennes eto amin'ny Distrikan'Antananarivo i Frère Julien Ratsimbazafy... ♦ Nitokona teny Antaninarenina, mitaky ny fialan'ny Minisitra Ramaherijaona Andriamanohisoa, androany ny mpiasan'ny Paositra Malagasy...

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...