Tamin’izany andro izany, i Jesoa niantso ny mpianany roa ambin’ny folo lahy ka nanome azy fahefana handroaka fanahy maloto, sy hahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Ary ireto no anaran’ny Apôstôly roa ambin’ny folo lahy: Ny voalohany dia i Simôna izay atao hoe i Piera, dia i Andre rahalahiny, i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, i Filipo sy i Bartelemy, i Tomà sy i Matio ilay poblikanina, i Jakôba zanak’i Alfe sy i Tade, i Simôna ilay Kananeanina, ary i Jodasy Iskariôta ilay namadika Azy. Ireo ny roa ambin’ny folo lahy izay nirahin’i Jesoa rahefa nohafatrafarany hoe: "Aza manaraka ny lalana mankany amin’ny Jentily, ary aza miditra amin’ny tanànan’ny Samaritanina, fa aleo mankany amin’ny ondry very amin’ny taranak’i Israely. Ary raha mandeha ianareo, mitoria hoe: Efa akaiky ny Fanjakan’ny lanitra."

Tamin’izany andro izany, indro nentin’ny olona teo amin’i Jesoa itý lehilahy anankiray sady moana no azon’ny demony. Ary nony voaroaka ny demony, dia niteny ilay moana ka gaga ny vahoaka sady nanao hoe: "Tsy mbola nisy toa izany tamin’i Israely." Fa ny Farisianina kosa nanao hoe: "Ny lehiben’ny demony no androahany ny demony." Ary i Jesoa nitety ny tanàna sy ny vohitra rehetra, nampianatra teo amin’ny sinagôgany sy nitory ny evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ary nahasitrana ny aretina mbamin’ny rofy rehetra. Onena Izy nahita ireto vahoaka be nijaly sy nafoy toy ny ondry tsy misy mpiandry. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: "Ny vary hojinjaina be, fa ny mpijinja no vitsy; koa mihantà amin’ny tompom-bary mba haniraka mpijinja amin’ny variny."

Tamin’izany andro izany, raha mbola niteny i Jesoa, dia indro nisy lehiben’ny sinagôga anankiray niditra nanatona sy nitsaoka Azy, ka nanao hoe: "Tompoko, maty vao izao ny zanako vavy, ka andeha re hametraka ny tananao aminy, dia ho velona izy." Dia nitsangana i Jesoa ka nandeha nanaraka azy Izy mbamin’ny mpianany.

Ary indro nisy vehivavy nitsi-drà nandritra ny roa ambin’ny folo taona, nanatona Azy avy eo ivohony, ka nanendry ny morontongotr’akanjony; fa hoy izy anakampony: "Na dia ny akanjony ihany aza no ho voakasiko, dia ho sitrana aho." Ary nitodika i Jesoa ka nahita azy, dia nanao hoe: "Matokia, anaka, ny finoanao no nahasitrana anao." Hatramin’izay dia sitrana ravehivavy.

Nony tonga tany an-tranon’ilay lehibe i Jesoa ka nahita ny mpitsoka sodina, sy ny olona maro nitabataba, dia nanao hoe: "Mialà ianareo, fa tsy maty akory razazavavy, fa matory." Dia nihomehezan’ireo Izy. Ary rahefa navoaka ny olona, dia niditra Izy, ka nandray ny tanan’ilay zazavavy, dia nitsangana io. Ary niely tamin’izany tany rehetra izany ny lazan’izany.

Tamin’izany andro izany, i Tômà, anankiray tamin’ny roa ambin’ny folo lahy, tsy mba tao amin’izy ireo tamin’ny nahatongavan’i Jesoa. Ka hoy ireto mpianatra sasany taminy: "Efa nahita ny Tompo izahay." Fa hoy izy tamin’ireo: "Raha tsy hitako ao amin’ny tanany ny loaky ny fantsika ka atsofoko eo amin’ny loaky ny fantsika ny rantsan-tanako, ary atehiko amin’ny fony ny tanako, dia tsy hino aho." Nony afaka havaloana, raha mbola nivory tao an-trano ihany ny mpianany sady teo koa i Tômà, dia tonga i Jesoa, nefa nirindrina ny varavarana. Nitsangana teo afovoany Izy ka nanao hoe: "Ho aminareo anie ny fiadanana!" Ary hoy Izy tamin’i Tômà: "Ataovy eto ny rantsan-tananao, ka zahao ny tanako, ary arosoy ny tananao ka atehefo eto amin’ny foko; dia minoa, fa aza malain-kino." Dia namaly i Tômà ka nanao taminy hoe: "Tompoko sy Andriamanitro!" Fa hoy i Jesoa taminy: "Nino ianao, ry Tômà, satria nahita Ahy; sambatra izay tsy nahita ka mino."

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...