♦ Mitohy mandritra ny 15 andro ny hamehana ara-pahasalamana eto Madagasikara. Mikatona tanteraka ny sidina anatiny ataon'ny Compagnie Tsaradia manerana ny Nosy... ♦ Marihana androany 3 mey ny andro eran-tany ho an'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Nambaran'ny Masoivoho amerikanina fa vonona hampiroborobo sy hiaro ny asa fanaovan-gazety i Etazonia...

Ady amin'ny valan'aretina Covid-19 eto Magadasikara, nohalavaina 15 andro indray ny hamehana ara-pahasalamana. Hamafisina ny fepetra any amin'ireo faitra nahitana fitomboan'isan'ny marary. Mikatona ny ao amin'ny Faritra Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy, raha toa ka misokatra kosa ny amin'ny Faritra Boeny, araka ny nambaran'ny Filoham-pirenena alina...

Alatsinainy 3 mey 2021 — Fankalazana an'i Masindahy Filipo sy Jakôba, Apôstôly — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo: izay mahita Ahy, mahita ny Ray, ry Filipo — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 6-14

Alahady 2 mey 2021 — Alahady fahadimy fankalazana ny Paka — Mitomoera ao amiko, dia hitoetra ao aminareo Aho, hoy ny Tompo; izay mitoetra ao amiko no mamoa be — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 1-8

[Miara-dàlana] Zoma 30 mey 2025

• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...