Nidina ifotony nijery ny fomba fiasa teny amin'ny abattoir teny Ampasika, ao Antananarivo Atsimondrano, ny Minisitra Ranarivelo Lucien sy ny mpiara-miasa aminy, ny alatsinainy 26 avrily teo, manoloana ny fisian'ny FVR mahazo ny omby sy ny ondry aman'osy amin'ny faritra dimy eto Madagasikara.
♦ Nampiatoana tsy ho mpanazatra ny Barean'i Madagasikara i Nicolas Dupuis, araka ny fanambarana navoakan'ny Federasiona Malagasin'ny Baolina Kitra androany... ♦ Tsy tokony hisalasalana ny fanasaziana ireo tompon'andraikitra mandika fepetra nambaran'ny Filohan'ny Repoblika, toy ny fampidirana sidina mitondra mpandeha eto Madagasikara, hoy ny Fioloha lefitry ny Antenimierandoholona Imbiky Herizlaza...
Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diosezin'i Tsiroanomandidy i Mompera Gabriel Randrianantenaina, pretran'ny Diosezin'i Moramanga ary Secrétaire Coordinateur-n'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara hatramin’izao.
Ny olombelona dia vatana, saina sy fanahy. Samy mila sakafo izy telo ireo, samy mila fanabeazana, samy manana zo hivoatra, ary tsy azo sarahana. Mibe ny olona, mba hanovo soatoavina, ka mampifanaraka ny fanapahan-keviny amin'ny soatoavina tsara nibeazany ny tsirairay. Mba tsy handeha an-jambany ny "tanora miala sakana", dia tokony ho namany mandrakariva ny ray aman-dreny. Atsangana ao an-trano ny "conseil de famille", hibeazan'ny tsirairay, sy hanehoany ny maha olona feno azy.
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco