♦ Ny valanjavaboary Bemaraha dia ahitana ireo tsingy. Valanjavaboary tantanan'ny Madagascar National Park's izay mahasarika mpizahan-tany maro. Toerana ahitàna karazam-biby maro toy ny gidro... ♦ Ny Bokiboky dia biby madinika mihinan-kena manta, mampinono. Ny Bokiboky na ny "mungo" dia mirefy 264-294mm ny vatany, 191-209mm ny rambony, 475-626g ny lanjan'ny lahy ary 450-740g ny vavy...
♦ Tsy afaka miditra eto Madagasikara ny mpandeha avy any ivelany ho fiarovana ny malagasy amin'ny covid miova endrika miparitaka amin'ny firenena maro manerana izao tontolo izao... ♦ Mampiatra ny fepetra tsy hiparitahan'ny valan'aretina any aminy sy amin'ny faritra manodidina azy ny ao amin'ny Faritra Vakinankaratra... ♦ Marihina androany ny andro iraisam-pirenena ho an'ny tany, tsy misitraka ny tany misoratra amin'ny anarany ny 80%-ny tantsaha, hoy ny Fiantso Madagasikara...
Ny tontolo iainany sy ny manodidina dia misy fiatraikany eo amin' ny fahatokisatena; songadinina manokana amin' izany ary ny haino aman-jery. (21-04-2021)
♦ Hiasa mafy, hampanaja ny fihibohana tanteraka ho an'ny eto amin'ny Faritra Analamanga ny sabotsy sy alahady izao, ny mpitandro ny filaminana. Polisy an'arivony no indray hahetsika ao Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina... ♦ 35% ny tahan'ny fiaboan'ny olona mitondra ny Coronavirus, tamin'ny fitiliana natao ny talata lasa teo. Miisa 390 ny tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina. Olona enina no namoy ny ainy, araka ny tatitra nivoaka omaly...
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco