Ny aretina no hiadivana ao anatin'ny tanjona ara-pahasalamana. Ny aretina no mampikorontana ny rindra efa ao anatinao, noho ny antony maro samihafa, io no tianao haverina ka io ilay tanjona ara-pahasalamana. Mila manova toem-po sy toe-tsaina isika entina miatrika ny valan'aretina, mitaky ezaka izany ary mila fahalalana ho fototra...
♦Mihemotra ny fara-fisoratana anarana ho an'ny fanadinam-panjakàna CEPE sy BEPC. Voatazona kosa ny datim-panadinana efa nivoaka... ♦ Tokony efa hiomana amin'ny mety fidiran'ireo karazana coronavirus miova endrika eto Madagasikara ny tsirairay, hoy ny mpandinika fiaraha-monina Rabary Paul, sarotra mantsy ny hanidy tanteraka ny sisin-tany... ♦ Tsy tokony ho sakana tsy hahafehezana ny krizy ara-pahasalamana ny fampandehanana ny toe-karena raha samy mandray andraikitra...
Tsy mety mandray ravin-deno sy manao raharaha intsony ny zanaka fa variana ao amin’iny fitaovana kely safosafoina sy pendipendena tontolon’ny andro iny. Lasa miteraka hamaivanan-doha eo amin’ny zanaka matetika satria tsy miditra intsony mihitsy ny anatra sy ny fanabeazana omen azy mivantana. Ary tsy vitan’izany fa ny fanekena ny ray aman-dreny dia raisina ho didiko fe lehibe sisa.
Alarobia 21 avrily 2021 — Herinandro fahatelo fankalazana ny Paka — Nitsangan-ko velona i Kristy, ka tsy maty intsony; tsy manan-kery aminy intsony ny fahafatesana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 6, 35-40
• Fiombonam-bavaka sy fiaraha-mientana amin'ny fanohanana sy fanampiana ny seminera no fandaharam-potoana isaky ny fetim-bokatry ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Zanaky ny Fiangonana miisa 220 mianadahy no nandray ny Sakramentan'ny Fankaherezana omaly, namaranana ny fitsidihana pastoraly tao amin'ny Distrikan'Ambohimena, Diosezin'Antsirabe... • Nosokafana tamin'ny sabotsy teo teny amin'ny EKAR Masimbavy Anne Anjomakely, ny faha-10 taonan'ny Ansiklika Laudato Si...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco