♦ Mbola mijoro ary mitazona ny foto-kevitra nijoroany hatramin'izay ny antoko UNDD... ♦ Tsy maintsy hivoaka mialoha ny hanombohan'ny tetikasa Tanamasoandro eny Imerintsiatosika ny valin'ny fanadihadiana ara-tontolo iainana... ♦ Niabo ny valin'ny fitiliana coronavirus natao tamin'ny Rayan Ravelson... ♦ Hampihatra fepetra isorohanany fihanaky ny coronavirus indray i Italia... 

♦ Niala tao Taolagnaro nihazo an'i Ambovombe omaly ny andiany voalohany tamin'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Fort-Dauphin... ♦ Na dia efa nilaza ny hanohy ny tolona sy ny fitakiana aza ireo solombavambahoaka Tim dia tsy hisy ny hetsika amin'ity sabotsy ity... ♦ Navoakan'ny ministera tompon'andraikitra ny datim-panadinana bakalôrea sy ny fotoana hanaovan'ireo mpiadina fisoratana anarana... 

Sabotsy 13 marsa 2021 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko, ka hanao aminy hoe : “Dada ô, nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho” — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 18, 9-14

♦ Nanainga tao Taolagnaro nihazo an'Ambovombe androany ny andiany voalohany tamin'ireo mpitsoa-ponenana tonga tao Fort-Dauphin. Mbola manjavozavo anefa ny miandry azy ireo any Ambovombe... ♦ Takona noho ny fifandiran'ny mpitondra sy ny mpanohitra ny tena olana mianjady amin'ny vahoaka, hoy ny antoko UNDD, androany...

[Miara-dàlana] Zoma 23 mey 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ao amin'ny ESCA Antanimena, ny taon-jobily ho an'ny olom-boatokana... • Ny alahady 25 mey 2025 no hiombonan'ny diosezin'Antananarivo manotolo amin'ny fanohanana ny Seminera Zandriny Ambohipo... • Hitarika ny Consistoire voalohany amin'ny maha Papa azy, ny 13 jona 2025 ao amin'ny Lapa Apostolikan'i Vatican, ny Papa Léon XIV...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...