♦ 25.674.196 ny isan'ny mponina eto Madagsikara raha ny tatitra ofisialy nivoaka androany... ♦ Mikasa ny hanao tatitra amin'ny vahoakan'Antananarivo eny Ambohijatovo ny sabotsy izao ny solombavambahoaka TIM... ♦ Nampiato ny fitokonany ao anatin'ny 72 ora manomboka androany ireo Paramed.
♦ Manomboka miha-mahazo toeranana ny ariary. Isan'ny nahatonga izany ny fampodiana ny vola tamin'ny fanondranana entana tany ivelany... ♦ Hampitomboina 15% hatramin'ny 20% ny teti-bola ho an'ireo ministera efatra misahana ny sosialin'ny mponina... ♦ Malalaka amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra ny Dren sy ny Cisco manoloana ny mety ho fisian'ny aretina Coronavirus any an-tsekoly...
Lafim-piainana iray ny fahasalamana ka hamaritàna tanjona dia ny fanenana ny toaka sotroina. Raha "manena" no teny nosafidiana dia mbola misotro izany fa ny fatra no nihakely, izany hoe mbola tsy tapaka ny fiankinandoha. Io no mamaritra ny lanjan'ny fiankinandoha, mila mazava: firy no laninao isan'andro na isan-kerinandro na isam-bolana? Inona no mitranga mahatonga anao hanapa-kevitra hampihena ny fisotroana ?...
♦ Antenaina fa hahazao famatsiam-bola avy amin'ny FMI, hatrany amin'ny 320 tapitrisa dolara, any amin'ny FEC andiany faharoa isika Malagasy, tao aorian'ny fifampidinihana niarahana tamin'ny iraky ny FMI... ♦ Nampahatsiahy ireo mpisehatra amin'ny onjam-peo, ny amin'ny tokony sy tsy tokony hatao, ny Ministry ny serasera sy ny kolontsaina, nandritra ny fanamarihana ny Andro Eran-tany ho an'ny Radio...
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco