Alatsinainy 15 febroary 2021 — Herinandro fahenina mandavantaona — Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 8, 11-13

Alahady 14 febroary 2021 — Alahady fahenina mandavantaona — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin’ny Ray afa-tsy amin’ny alalako — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 1, 40-45

Ny feo dia manandanja lehibe amin'ny olombelona, ilaina amin'ny fifaneraserana. Misy kazany roa ny feo : ny "SON" na ny feo mivoakaka amin'ny zavatra rehetra, ny "VOIX" na ny feon'olombelona izay miavaka indrindra. Ny feon'olombelona dia mivoatra ara-boajanahary, misy retsika izay mibaiko ny tadi-peo ka io no mamokatra ny feo. Ilaina kolina ny feo araka izany... 

♦ Fitaovana mahery vaika afaka mampijoro sy mamotika ny radio, hoy ny ministry ny serasera sy ny kolontsaina... ♦ HIroso amin'ny fihaonana amin'ireo hery velona eto amin'ny firenena ny CFM... ♦ Efa mandeha ankehitriny ny fandrahonana amin'ny fanapahana karama sy famindran-toerana ho an'ireo Paramed... 

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...