Tamin’izany andro izany i Jesoa niteny nanao hoe: "Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nanafina ny hevitrao tamin’ny hendry sy ny be saina Ianao, ary nanambara azy tamin’ny tso-po kosa. Eny, misaotra Anao aho, Raiko, fa izany no sitra-ponao. Efa nomen’ny Raiko Ahy ny zavatra rehetra ary tsy misy mahalala ny Zanaka afa-tsy ny Ray; ary tsy misy mahalala ny Ray afa-tsy ny Zanaka sy izay tian’ny Zanaka hanehoana Azy. Mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mitondra fahoriana sy vesaram-pijaliana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo, fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny didiko".
♦ Nanazava ny fizaràna asa eo amin'ny Filohan'ny repoblika sy ny Praiministra, ny lehiben'ny governemanta Ntsay Christian, tsy misy olona ny fifandraisana eo amin'izy ireo... ♦ Nody mandry teo amin'ny faha-60 taonany ny Radavidson Andriamparany B, Ministra teo aloha nandritra ny fitondrana Ravalomanana... ♦ Ho tonga ara-potoana eny amin'ireo ivon-teoram-panadinana manerana ny nosy ny taratasim-panadinana rehetra ho an'ny CEPE sy ny BEPC...
♦ Mbola mikatona ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra, Matsiatra Ambony ary Anosy. Mitohy kosa ny fihibohana ny sabotsy alahady ho an'ny distrika efatra eto Analamanga... ♦ Fivoaran'ny valanaretina Covid-19, ny sabotsy 15 mey lasa teo : Tranga vaovao mitondra ny tsimokaretina, 136 tamin'ny filiana 907 natao ; 150 ireo sitrana ary 9 ireo lavon'ny aretina...
Alatsinainy 17 mey 2021 — Herinandro fahafito fankalazana ny Paka — Mandehana, mampianara ny firenena rehetra. Indro Aho eo aminareo ambara-pahatapitr’izao tontolo izao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 16, 29-33
• Nanentana ny kristianina rehetra, hivavaka sy handini-tena, ny avy eo anivon'ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina eto Madagasikara, tamin'ny hafatra navoakan'izy ireo ny zoma 26 septambra 2025... • Tontosa ny sabotsy 27 septambra 2025, ny famindrana ny taolambalon'i Mompera Vladimir, izay tany amin'ny Diosezin'i Toamasina, ho ao amin'ny fasan'ny Fikambanana ao Ambohidratrimo Antananarivo... • Notontosaina ny sabotsy 27 septambra 2025 ny fitsofan-drano ny fasana ary ny famindrana ireo pretra sy frefra miisa 13 efa nialoha lalana, teny amin'ny Monasitera Masina Maria Ambohimanjakarano Mahitsy...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco