Alarobia 20 janoary 2021 — Herinandro faharoa mandavantaona — Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 3, 1-6
♦ Niditra an-tanety ao amin'ny Distrikan'Antalaha ilay rivodoza Eloïse tatsy amin'ny Ranomasimbe Indiana. Niakatra ho 100km/ora ny rivotra entiny, arahana tafiotra 140km/ora... ♦ Filohan'ny Antenimierandoholona vaovao, mandimby an'Andriamatoa Rivo Rakotovao, ny Loholona Razafimahefa Herimanana, kandidà tokana natolotry ny vondrona IRMAR...
♦ Nahazo filoha vaovao ny Antenimieran-doholona eny Anosikely. Lany ho filohan'ny andrim-panjakàna Andriamatoa Herimanana Razafimahefa... ♦ Miha-manakaiky hatrany ny morontsirak'i Madagasikara ilay rivo-doza Eloise any amin'ny ranomasim-be Indiana. Anio alina izy no hiditra an-tanety any amin'ny distrikan'Antalaha...
Anio tolakandro no hiditra an-tanety eto Madagasikara ilay rivodoza Eloise, nitombo hery izy ka lasa "Forte tempête tropicale", raha ny vaovao farany voaray avy amin'ny sampana mpamantatra ny mety ho toetry ny andro androany maraina.
Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco