Zoma 11 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 16-19 — Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay, mba hifalianay amin’ny fo lavorary.

♦ IPS : (International Primatology Society) Fikambanana iraisam-pirenena ivondronan'ireo mpikaroka momba ny rajako sy ny varika, manerantany, efa nisy telopolo taona izao... ♦ Fanaloka : biby antsoina koa hoe ridarida na ambolaolo, mirefy 455mm hatramin'ny 495mm ny vatrany ary 140-220mm ny rambony, milanja 1,6 hatramin'ny 2.1kg izy... ♦ Ny rivo-doza : Rivomahery miforona noho ny tsindrin'ny atimôsifera sy ny hafanan'ny ranomasina, mety mitondra tafiotra sy oram-baratra...

♦ Miasa mangiana amin'ny fitakiana ny hamerenana ny Nosy Malagasy ny Vovonana hanarenantsika ny Nosy Malagasy... ♦ Jirama : Tanjona ny hampihenàna ny vola haloa arakaraky ny fandaniana isam-bolana, hampiharina ny fanovàna ny fomba fanasokajiana ny sandan'ny herinaratra manomboka amin'ny taona 2021... ♦ Tetik'asa C-SPEM : Tanora maherin'ny 4.000 tamin'ny distrika miisa 74 no efa nahazo fiofanana fanamboarana arina fandrehatra miaro ny tontolo iainana...

Alakamisy 10 desambra 2020 — Herinandro faharoa amin'ny Fiaviana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 11, 11-15 — Asehoy anay, ry Tompo, ny hatsaram-ponao, ary omeo anay ny famonjena avy aminao.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...