♦ Tsingerina eo amin'ny fiainan'ny olombelona : Fahaterahana, zaza mena-vava, ankizy, tanora, olon-dehibe, antitra, fahafatesana... ♦ Famaritana ny atao hoe fahanterana : Dingana faratampony amin'ny fivoaran'ny zava-mananaina.. ♦ Arakaraky ny olona tsirairay avy ny endriky ny fahasamihafana eo amin'ny fahanterana...

♦ Isan'ny fanamby goavana ho an'ny sekoly sy ny fanabeazana katolika amin'izao taom-pianarana vaovao izao ny fiatrehana ny Covid-19... ♦ Hitohy amin'ity herinandro ity ny fifampiresahan'ny ministeran'ny fanabeazam-pirenena sy ny sekoly tsy miankina, handraisana ny soso-kevitr'izy ireo momba ny fampiharana ilay tetipivoaran'ny fanabeazana... ♦ Voafidy ho filoha amerikana ingahyJoe Biden, ho filoham-pirenena hampiombona fa tsy hampisaraka no isan'ny fanambiny... 

Alatsinainy 09 nôvambra 2020 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 4, 19-24 — Fidiko sy hamasiniko hatramin'izao ity trano ity, hoy ny Tompo, hitoeran'ny Anarako mandrakizay.

Alahady 08 nôvambra 2020 — Alahady faha-32 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 25, 1-13 — Miambena sy mivonòna ianareo fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Harena ny harena raha mamokatra ary mamokatra ho an'ny besinimaro

Ho an'ny tompon'andraikitra isan'ambaratonga eto amin'ny firenena, Ho an'ny vahoaka Malagasy sy ireo olona tsara sitrapo. Homba anareo mandrakariva anie ny fahasoavana amam-piadanana avy amin'i Jesoa Kristy Tompo ! Indroa isan-taona no manao fihaonana lehibe (Assemblée Générale) izahay Vaomieran'ny Eveka momba ny fahamarinana sy fiadanana (Justice et Paix) cto Madagasikara. Tamin'ity taona 2025 ity dia notanterahina ny 08 May ka hatramin'ny 12 May ny fihaonanavoalohany teto Madiorano - Diosezy Toliara....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...