Vakiteny voalohany

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly (Asa 1, 1-11)

Nakarina teo anatrehan’izy ireo Izy.

Ry Teôfily, efa voalazako tamin’ny boky voalohany
ny zavatra rehetra nataon’i Jesoa sy nampianariny,
hatramin’ny andro nampiakarana Azy,
nony efa nomeny ny didiny tamin’ny alalan’ny Fanahy Masina, ny Apôstôly izay nofidiny.
Taorian’ny nijaliany,
dia maro ny porofo nentiny nanamarina tamin’izy ireo fa velona tokoa,
sady niseho taminy nandritra ny efapolo andro Izy,
ary nilazalaza ny momba ny Fanjakan’Andriamanitra tamin’izy ireo.

Ary ilay niaraka tamin’izy ireo iny Izy,
dia nanafatra azy mba tsy hiala ao Jerosalema,
fa hiandry izay nampanantenain’ny Ray,
araka ny efa renareo tamin’ny vavako, hoy Izy.
Fa i Joany nanao batemy tamin’ny rano,
ary ianareo kosa hatao Batemy amin’ny Fanahy Masina, raha afaka andro vitsivitsy.
Ka izay tafangona teo dia nanontany Azy hoe:

“Tompoko,
amin’izay va no fotoana hanangananao ny fanjakan’i Israely indray?”

Fa hoy ny navaliny azy ireo:

“Tsy anareo ny mahalala ny andro na fotoana
izay efa nalahatry ny Ray amin’ny fahefany.
Fa rehefa hidinan’ny Fanahy Masina ianareo dia hahazo hery,
ka ho vavolombeloko any Jerosalema sy eran’i Jodea ary i Samaria,
ka hatrany amin’ny fara vazan-tany”.

Nony efa nilaza izany Izy, dia nakarina teo anatrehan’izy ireo:
ary nisy rahona nanakona Azy, ka tsy hitan’ny masony intsony Izy.
Raha mbola nibanjina ny lanitra teo izy ireo,
tamin’i Jesoa nisondrotra nisondrotra ihany,
dia indreo nisy roa lahy niakanjo fotsy niseho teo anilany nanao hoe:

“Ry lehilahy avy any Galilea,
nahoana ianareo no mijanona eto mibanjina ny lanitra?
Iny Jesoa nalaina taminareo ho any an-danitra iny,
dia mbola ho avy indray,
tahaka ny nahitanareo Azy niakatra any an-danitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Sal. 46, 2-3. 6-7. 8-9

Andriamanitra miakatra arahina hoby, ny Tompo misandratra amim-peon’anjomara!

Ry vahoaka rehetra, mitehafa tanana;
mifalifalia ianareo Anjely:
fa mahatahotra ny Tompo Avo indrindra,
Mpanjaka lehibe amin’ny tany tontolo.

Andriamanitra miakatra hobîn’ny vahoaka;
ny Tompo misandratra am-peon’anjomara.
Antsao ny Tompo, antsao!
Antsao ny Mpanjakantsika, antsao!

Fa Mpanjakan’ny tany tontolo Izy:
koa arindrao izany antsa.
Andriamanitra am-piketrahany masina
manjaka amin’ireo firenena.

Vakiteny faharoa

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Efezy (Efez. 1, 17-23)

Napetraky ny Ray eo ankavanany any an-danitra Izy.

Ry kristianina havana,
Andriamanitra Rain’i Jesoa Kristy Tompontsika, Rain’ny voninahitra,
dia hanome anareo ny Fanahin’ny fahendrena amam-panambarana hahalalana Azy tsara;
ary mba hampahiratiny tsara ny masom-panahinareo hahalala izao:
ny fanantenana niantsoany anareo,
ny haben’ny voninahitry ny lova nomaniny ho an’ny olo-masina,
ary ny halehiben’ny fahefany mihoapampana ho an’izay mino,
hita amin’ny fiasan’ny heriny tsitoha.
Naharihariny tao amin’i Kristy izany heriny izany,
tamin’ny nananganany Azy ho velona,
sy nametrahany Azy teo ankavanany any an-danitra,
ambony lavitra noho ny fiandrianana rehetra,
ny fifehezana rehetra, ny fanjakana rehetra,
ary ny anarana rehetra azo tononina,
tsy amin’izao fiainana izao ihany,
fa amin’ny fiainana ho avy koa,
fa napetrany eo an-tongony ny zavatra rehetra,
ary nataony filohany ambony indrindra Izy amin’ny Eglizy,
izay tenany famenon’Izy mpameno tena an-davany sy an-tsakany
amin’ny rantsam-batany rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mandehana mampianatra ny firenena rehetra, hoy ny Tompo
ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt.28, 16-20)

Nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany.

Tamin’izany andro izany,
ny mpianatra iraika ambin’ny folo lahy dia nankany Galilea,
any amin’ilay tendrombohitra nasain’i Jesoa nalehany.
Nony nahita Azy izy ireo, izay nisalasala taloha, dia nitsaoka Azy.
Ary i Jesoa nanatona azy ireo ka nilaza taminy hoe:

“Efa nomena Ahy ny fahefana rehetra any an-danitra sy ety an-tany;
koa mandehana ianareo, mampianara ny firenena rehetra,
manaova Batemy azy amin’ny Anaran’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina;
ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo.
Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva
ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Bokin'i Izaia Mpaminany 42, 1-4. 6-7

Indro ny mpanompoko Ilay sitraky ny foko.

Izao no lazain’ny Tompo:

Indro ny mpanompoko izay tantanako;
ilay voafidiko ka sitraky ny foko;
napetrako ao aminy ny fanahiko;
hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena izy.
Tsy hiantso mafy izy na hanandra-peo,
na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be.
Ny volotara efa poritra tsy hotapahiny;
ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny.
Hanambara ny rariny, araka ny marina izy;
tsy ho ketraka izy na ho kivy akory,
mandrapanoriny ny rariny amin’ny tany;
ary ny nosy hiandry ny lalàny.
Izaho Tompo no niantso anao, tamin’ny fahamarinana,
sy nandray tanana anao,
miaro anao Aho ary manao anao ho fanekempihavanana
ho an’ny vahoakako sy fahazavan’ny firenena hampahiratra ny jamba,
hamoaka ny mifatotra ao amin’ny tranomaizina
sy ireo mipetraka ao anatin’ny haizina ao amin’ny fonja.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 28, 1a sy 2. 3ad-4. 3b sy 9b-10

Ny Tompo hitahy ny vahoakany sy hanome fiadanana azy.

Omeo ny Tompo, rey zanak’Andriamanitra,
omeo ny Tompo ny voninahitra sy ny hery;
ny Anaran’ny Tompo omeo voninahitra;
ny Tompo iankohofy ao an-kianjany masina.

Ny kotro-baratry ny Tompo eo ambony rano:
Andriamanitra mampitalakotroka;
ny Tompo dia be voninahitra
eo ambony rano midadasika.

Ny kotro-baratry ny Tompo mampangovy ny ala!
Hoy ny ao an-dapany: voninahitra!
Ny fiketrahan’ny Tompo: ny safodrano; ny fanjakan’ny Tompo: mandrakizay.

Vakiteny faharoa

Boky mitantara ny Asan'ny Apôstôly 10, 34-38

Nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina Izy.

Tamin’izany andro izany,
niloa-bava i Piera nanao hoe:

“Hitako marina tokoa
fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra;
fa izay matahotra Azy sy manao ny marina,
dia ankasitrahiny na aiza na aiza firenena misy azy.
Nampitondra teny tamin’ny zanak’i Israely Izy,
mba hanambara fiadanana amin’ny alalan’i Jesoa Kristy,
izay Tompon’izao rehetra izao.
Fantatrareo ny zavatra tanteraka eran’i Jodea manontolo,
nanomboka tany Galilea
taorian’ny batemy notorîn’i Joany;
dia ny amin’i Jesoa avy any Nazareta,
izay nohosoran’Andriamanitra tamin’ny Fanahy Masina sy ny heriny,
ka nandeha nanao soa hatraiza hatraiza;
nahasitrana izay rehetra azon’ny demony,
satria nomba Azy Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay,
ka nankaty mba hitsaoka ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 3, 13-17

Nahita ny Fanahin’Andriamanitra nidina teo amboniny i Jesoa nony vita batemy.

Tamin’izany andro izany,
dia tonga avy tany Galilea i Jesoa
ka nanatona an’i Joany teo amoron’i Jordany
mba hataony batemy;
fa nandà i Joany nanao hoe:

“Izaho no tokony hataonao batemy,
ka Ianao indray va no mankaty amiko?”

Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe:

“Ekeo izao,
fa izao no mety hahatanterahantsika
ny fahamarinana rehetra”.

Dia nanaiky izy.
Nony vita batemy i Jesoa,
dia niala avy teo amin’ny rano niaraka tamin’izay,
ary indro nisokatra taminy ny lanitra,
ka hitany ny Fanahin’Andriamanitra
nidina tahaka ny voromailala nankeo amboniny.
Dia injay nisy feo avy any an-danitra nanao hoe:

“Ity no Zanako malalako
izay ankasitrahiko indrindra”.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Vakiteny voalohany

Taratasin’i Masindahy Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Rôma 10, 9-18

Avy amin’ny toriteny ny finoana, ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.

Ry kristianina havana,
raha manaiky amin’ny vavanao ianao
fa i Jesoa no Tompo,
sy mino amin’ny fonao
fa Andriamanitra nanangana Azy ho velona,
dia ho voavonjy ianao.
Satria ny finoana amin’ny fo
no ahazoana fahamarinana;
ary ny fanekena amin’ny vava
no ahazoana famonjena,
araka ny tenin’ny Soratra Masina hoe:

“Izay mino Azy tsy mba ho menatra.”

Tsy misy hafa na Jody na Jentily,
satria ny Tompo iray no iombonan’izy rehetra,
manan-karena ho an’izay rehetra miantso Azy;
fa izay rehetra hiantso ny Anaran’ny Tompo
no hovonjena.
Hatao ahoana àry no fiantso izay mbola tsy ninoana?
Hatao ahoana no fino izay mbola tsy re?
Hatao ahoana no fandre raha tsy misy mitory?
Ary hatao ahoana no fitory raha tsy misy irahina?
araka ny voasoratra hoe:

“Endrey ny hatsaran’ny tongotr’ireto mitory hasambarana!”

Tsy ny rehetra anefa no nanaiky ny Evanjely,
araka ny tenin’i Izaia hoe:

“Tompo ô, iza no nino ny teny notorìnay?”

Koa avy amin’ny toriteny ny finoana;
ary avy amin’ny tenin’Andriamanitra ny toriteny.
Fa hoy izaho:

“Sao dia tsy nandre izy ireo?”

Tsy izany akory:
lasa nanerana ny tany rehetra ny feony,
ary tonga hatramin’ny fara vazan-tany ny teniny.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

Salamo fandinihana

Salamo 18, 2-3. 4-5

Ny soratra ataony no tsinjo eran-tany

Ny lazan’ny Tompo ambaran’ny lanitra,
ny asany kosa torìn’ny habakabaka.
Ny andro milaza amin’andro manaraka;
ny alina indray mitantara amin’ny alina.

Tsy teny lazainy, tsy volana ambarany;
tsy feo mba manako ho renesin’ny sofina.
Kanefa dia tsinjo eran-tany ny baikony;
miely tsy tana ny hafatra entiny.

Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Avia hanaraka Ahy, hoy ny Tompo fa hataoko mpanarato olona ianareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio 4, 18-22

Nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo ka nanaraka Azy.

Tamin’izany andro izany,
nitsangantsangana teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa,
ary nahita olona mirahalahy,
dia i Simôna ilay atao hoe Piera sy i André rahalahiny,
nanarato teo amin’ny ranomasina,
fa mpanarato izy ireo.
Dia hoy Izy taminy:

“Avia hanaraka Ahy,
fa hataoko mpanarato olona ianareo.”

Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.
Dia mbola nandroso ihany Izy,
ka nahita olona mirahalahy hafa koa,
dia i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny
izay teo an-tsambo niaraka tamin’i Zebede rainy,
nanamboatra ny haratony;
ary nantsoiny izy mirahalahy.
Nandao ny haratony sy ny rainy
niaraka tamin’izay izy ireo,
ka nanaraka Azy.

Izany àry ny tenin’ny Tompo.

[Miara-dàlana] Zoma 26 aprily 2024

♦ Notanterahana ny sabotsy 20 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka an'i S.E. Mgr le Cardinal Ángel Fernández Artime, Lehiben'ny Fikambanana Salezianin'i Don Bosco maneran-tany... ♦ Tao anatin'ny telo andro no nankalazan'ny Arsidiôsezin'i Fianarantsoa ny fetin'i Jesoa Mpiandry Ondry Tsara, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Josefa, Ambozontany, sady fanokafana ny taom-bolafotsy naha Eveka an'i Mgr Fulgence Rabemahafaly... ♦ Mandalo eto Madagasikara indray ny Hetsika Focolari, vondrona miaina sy mampiaina ny Evanjely amin'ny alalan'ny hira sy ny dihy ary indrindra ny vavaka...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...