Ny Mpisorona "sacerdoce" : ny mahazatra antsika andavanandro ankehitriny dia Pretra satria ny mpisorona araka ny voambolana vahiny dia mitovy dika amin'ny pretra ; izany hoe manana anjara asa manolotra ny vavaka na sorona ho an'ny tenany na ho an'ny hafa amin'Andriamanitra. Azo lazaina ho vavaka ihany koa ny sorona satria amin'ny endrika vavaka... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.

Ny asa dia zava-dehibe satria natao hanompoana ny namana sy ny Tompo. Rehefa ny asa no tsy misy dia miha mahantra sy noana ny vahoaka. Entanina ny tsirairay mba handeha hiasa sy hikarakara ny tranobe iombonana. Mahavara manamarina ny zavatra tavela any ivelan'ny trano mba tsy handrian'ny fanahy ratsy. Mifalia amin'ny fahombiazan'ny namana, mba ho hisokafany aminao... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

02 marsa — Raha lazaina ny tantaran'i Masindahy Charles le Bon dia zanak'i Knut, mpanjaka tao Danemark tamin'ny taonjato faha-11. Ny taona 1119 no notendrena ho comte tao Flandre i Charles rehefa tafaverina avy any amin'ny ady voalohany ho fanafahana ny Tany masina.

Ny fitiavana nasehon'i Jesoa Kristy no nahazoantsika famelan-keloka, nampivitrana indray ny fihavanantsika, voalohany amin'Andriamanitra ary faharoa dia amin'isika samy olombelona. Sori-dalana napetrak'i Jesoa Kristy, ohatra velona nasehony dia ny fiainana ny lalan'ny fitiavana. Araka ny voasoratra hoe "tsy misy manam-pitiavana lehibe indrindra noho ny mahafoy ny ainy ho an'ny sakaizany... Katesizy momba ny vavaka ho an'ny firaisan'ny Kristianina, iarahana amin'i P. Tina Jeannot Ranaivozanany.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...