Teo amin'ny hazofijaliana dia mbola nivavaka i Jesoa izay nahatsapany fa maizina tanteraka ny fiainany ary toa natao azy ny Ray ; na izany aza dia mbola niantso ny Ray foana Izy, vavaka feno herim-po sy fahasahiana io vavak'i Jesoa io satria teo am-piaretana ny mafy ; tsy ho an'ny tenany samirery no ivavahany fa ho an'ny hafa ihany koa, ho an'ny olona rehetra... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
Zava-dehibe ny famolahan-tena eo amin'ny fiainam-bavaka. Hasain'Andriamanitra hibebaka isika, hahay hampifanaraka ny toetrany amin'ny raharaha sahaniny, tokony hatsapa tena ireo manana andraikitra amin'ny fiaraha-monina. Izao Karemy izao no fotoana tsara hialana amin'ny fahazaran-dratsy : kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany, indrindra ireo mpitaky vola eny ifotony ho hetra, ireo mpitantana ara-bola. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
09 marsa — Niaina tao anelanelan'ny taona 1384 hatramin'ny taona 1440 i Masimbavy Françoise Romaine. Teraka tao Roma izy ary fianakaviana fanta-daza no nipoirany. Ny fiainany hatramin'ny fahazazany dia maneho ny fiombonana tamin'Andriamanitra, ary nanomana azy hanokan-tena ho an'i Kristy.
Nivavaka toy ny miady aina i Jesoa tao amin'ny sahan'i Getsemania, rentsika tsara ny vavaka nataony tamin'io "Ray o! Raha azo atao, aoka esorina amiko ity kapoaka ity..." Na Andriamanitra aza i Jesoa dia tena nihorohoro sy natahotra ny fahafatesana fatratra tokoa. Mampianatra antsika i Jesoa amin'ny vavaky ny mpisorona mba tsy hisasraka amin'ny vavaka na miady aina aza... Katesizy momba ny vavak'i Jesoa, vavaky ny mpisorona, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco