15 desambra — Teraka tao Colastri ao Cappadoce i Christiane, na Nina, na Ninon, na ihany koa Nune. Ny tena anarany dia tsy fantatra mazava fa ireo anarana ireo dia nomen'ny olona tao Géorgie azy, noho izy nitory ny fivavahana kristianina, avy amin'ny hoe mpianatr'i Kristy. Ny Nina dia fanafohezana ny Christiane, ny Nune kosa dia fiantsoana ireo vehivavy relijiozy.
14 desambra — I Masindahy Jean de la Croix resahana androany dia ilay avy ao amin'ny fikambanan'ny Carmes. Juan de Yepes Álvarez no anarany, teraka ny 24 jona 1542 izy, tao Frontiveros, Vieille-Castille, tanana anelanelan'i Salamanque sy Avila. Gonzalo de Yepes sy Catalina Álvarez no anaran'ny ray aman-dreniny.
13 desambra — Tovovavy avy any Syracuse, Italie, i Masimbavy Lucie. Tonga tany Catane, teo amin'ny fasan'i Masimbavy Agathe, izy niaraka tamn'ny renin'ny izay tratry ny fahaverezan-dra tsy nahitam-panafana. Rehefa avy nivavaka fotoana fohy teo izy dia sondrian-tory kely.
12 desambra — Raha zohintsika ny tantara nahatonga izany fankalazana izany dia toa izao : Ny sabotsy 09 desambra 1531, nisy indiana nantsoina hoe Juan Diego Cuauhtlatoatzin, nankany amin'ny tananan'i Maxico mba haneho mari-panajana an'i Masina Maria. Rehefa nandalo eo am-pototry ny tendombohitra Tepeyac izy, dia tampoka naheno feo avy any an-danitra izy.
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco