11 desambra — Teraka ny taona 305 i Damase. Nitoetra tao Roma izy, niaraka tamin'ny fianakaviany. Niditra tao amin'ny fikambanan'ny mpisorona izy ary tonga iray tsara laza tamin'ireo pretra. Diakra niaraka tamin'ny papa Libère no nahafantarana an'i Damase, ary nomen'io papa io andraikitra izy ho masoivoho any amin'ny amperora Valens sy Valentinien.
10 desambra — Avy any Trawsfynydd, Pays de Galles i John Roberts. Ny finoana no nahatonga azy ho akaiky kokoa ny Fiangonana romanina noho ny Fiangonana Anglikana, izany no nahatonga azy ho mpianatra lalana tao Oxford, ary nanararaotra ny fandalovany tao Paris izy nankao amin'ny fiangonana Notre-Dame de Paris mba ho raisina ao amin'ny Fiangonana Katôlika ny taona 1598.
09 desambra — Teraka ny 30 nôvambra 1565 tao Mirecourt i Pierre Fourier. Kristianina ny fianakaviany. Zaza voalohany amin'ny telo mirahalahy nateraky ny ray aman-dreniny izy. Narahan'i Pierre an-tsakany sy an-davany ny fampianarana nomena azy, dia ny fitiavam-bavaka, ny fanekena am-pitiavana, ny halemem-panahy ary ny fandosirana ny lainga.
08 desambra — Teo amin'ny tantaran'ny Fiangonana dia efa talohan'ny Kônsily tany Nicée ireo Mpampianatry ny Fiangonana no nanaja an'i Masina Maria, ary niantso azy hoe Virjiny Masina sy hoe Eva Vaovao.
• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco