10 ôktôbra — Teraka tany Grèce tamin'ny fiantombohan'ny taonjato fahafito, avy amin'ny fianakaviana gauloise na bèlge i Ghislain. Tao aorian'ny nandalinany haisoratra tao Athènes dia niditra tao amin'ny fikambanana manaraka ny fitsipi-piainan'i Masindahy Basile izy, ary nohamasinina ho pretra. Nisy nilaza fa arseveka tao Athènes ihany koa izy.

09 ôktôbra — I Denis, dia eveka niaina tamin'ny taonjato fahatelo. Teraka tao Italie izy ary nohamasinina ho pretra sy eveka ka nalefan'ny papa hitory ny Vaovao Mahafaly tany Gaule, niaraka tamin'ny eveka dimy hafa.

08 ôktôbra — Teraka tao Antioche tamin'ny taona 430, ary nantsoina hoe Marguerite i Pélagie. Niasa tamin'ny tarika mpilalao andapihazo izy. Nodimandry tao Jerosalema izy ny taona 457. Ny toriteny nataon'i Nonnus, eveka tao Edesse tamin'ny taona 453 no nampiova sy nampibebaka azy, ka nahatonga azy nihataka tany an-tendombohitr'i Oliva, nanao asa fibebahana mandram-pahafatiny.

07 ôktôbra — Efa hatramin'ny taona 1547 no nankalazaina tany Espagne ny fetin'i Masina Maria Mpanjakavavin'ny Raozery isaky ny alahady fahatelo amin'ny volana aprily. Ny papa Pie V kosa ny taona 1572 no nanambara fa fankalazana ny fetin'i Notre-Dame de la Victoire ny alahady voalohany amin'ny volana ôktôbra ho fisaorana sy fankasitra noho ny fandresena tao Lépante.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...