24 septambra — Niaina tany amin’ny taonjato voalohany i Masimbavy Thècle izay resahana amin’ity androany ity. Avy ao amin’ny tanana antsoina hoe Iconium izy, ao Asie Mineure io. Zanak’olona mpanompo sampy sady mpanan-karena i Thècle, Théoclie no reniny.
23 septambra — Teraka ny 25 mey 1887 tao Pietrelcina faritanin’i Bénévent Campanie ao Italie i Francesco Forgione. Orazio Forgione sy Giuseppa Di Nunzio no ray aman-dreniny, tantsaha izy ireo. Ny ampitson’ny nahaterahany i Francesco dia efa vita batemy tao Sainte Marie des Anges izy, tao Pietrelcina.
22 septambra — Miaramila avy any Thèbes i Masindahy Maurice, ary maty martiry niaraka tamin’ireo miaramila kristianina namany noho ny fiarovana ny finoana. Tamin’ny taonjato fahatelo no voalaza fa vanim-potoana niainan’izy ireo araka ny fitantaran’i Masindahy Eucher.
21 septambra — Ny Matthieu resahana eto dia i Masindahy Matthieu ilay evanjelista. Jody i Matthieu na Matio, teraka tao Capharnaüm izy, tanana avaratra andrefan’ny farihy Génézareth ao Galilée. Zanak’i Alphée izy, ary Lévi no tena anarany. Mpamory hetra no asan’i Matthieu.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco