♦ Andrasana ny ho tohin'ny fangatahan'ireo mpivory anemorana ny datin'ny fifidianana amin'ny 16 nôvambra izao. Atolotra ny Ceni sy ny governemanta ary ny vondrona iraisam-pirenena ny fehin-kevitra tapaka tamin'ny alalan'ny tsangan-tanana tseny Tsimbazaza omaly... ♦ Ambaran'ny governemanta ho fikotrehana fanonganam-panjakàna amin'ny alalan'ny andrim-panjakàna ny fihetsiky ny filohan'ny Antenimieram-pirenena sy ireo niara-nivory taminy hanemotra ny fifidianana. Tsy miova fa ny 16 novambra izao no hatao ny fifidianana hoy izy ireo... ♦ Mitsipaka ny hanemorana ny fifidianana amin'ny 16 novambra koa ny Antenimeran-doholona. Tsy misy antony tokony hanemorana izany hoy izy ireo...
♦ Nolavin'ny HCC fanindroany indray ny fitoriana faharoa nataon'ny kandidà ho Filoham-pirenena, Andry Raobelina sy ny antoko ARB, izay mangataka ny hanemorana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ "Ny rariny henjan-doatra manjary hadisoana", hoy ny fikambanana Grand Sud-Est androany, ka miantso fifampidinihana manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, ity fikambanana ity... ♦ Avotra soa aman-tsara, rehefa nitsambikina avy teo an-davarangana, ny olona iray tavela tamin'ilay trano may teny Mahamasina. Kila tsy nisy noraisina ny entana tao an-trano...
♦ Tokony horavàna amin'ny alalan'ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta mijoro amin'izao hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Ny fanangànana Governemanta tsy miandany no hitan'ny antoko fa vahaolana hirosoana amin'ny fifidianana, manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Hihemotra rahampitso ny fitokonana faobe kasain'ny SECES sampana Antananarivo natomboka androany. Eo Am-pelatanan'ny Governemanta tanteraka ny ho avin'ny zana-bahoaka, amin'ny hisian'ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo hoy izy ireo... ♦ Mbola tsy azo, tapa-bolana aty aoriana, ireo omby 80 notakian'ny fianakavian'ny maty amin'ny zandary momba ilay raharaha fahafatesana tovolahy roa tany Bebaboka-Maintirano...
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco