♦ Nolavin'ny HCC fanindroany indray ny fitoriana faharoa nataon'ny kandidà ho Filoham-pirenena, Andry Raobelina sy ny antoko ARB, izay mangataka ny hanemorana ny fifidianana izay ho Filoham-pirenena... ♦ "Ny rariny henjan-doatra manjary hadisoana", hoy ny fikambanana Grand Sud-Est androany, ka miantso fifampidinihana manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny, ity fikambanana ity... ♦ Avotra soa aman-tsara, rehefa nitsambikina avy teo an-davarangana, ny olona iray tavela tamin'ilay trano may teny Mahamasina. Kila tsy nisy noraisina ny entana tao an-trano...
♦ Tokony horavàna amin'ny alalan'ny fitsipaham-pitokisana ny Governemanta mijoro amin'izao hoy ny antoko Humaniste Ecologiste. Ny fanangànana Governemanta tsy miandany no hitan'ny antoko fa vahaolana hirosoana amin'ny fifidianana, manoloana ny toe-draharaha pôlitika ankehitriny... ♦ Hihemotra rahampitso ny fitokonana faobe kasain'ny SECES sampana Antananarivo natomboka androany. Eo Am-pelatanan'ny Governemanta tanteraka ny ho avin'ny zana-bahoaka, amin'ny hisian'ny fampianarana eny amin'ny Anjerimanontolo hoy izy ireo... ♦ Mbola tsy azo, tapa-bolana aty aoriana, ireo omby 80 notakian'ny fianakavian'ny maty amin'ny zandary momba ilay raharaha fahafatesana tovolahy roa tany Bebaboka-Maintirano...
♦ Manomboka andro alarobian'ny lavenona ny karemy, ho an'ny kristiana katôlika manerana izao tontolo izao, misy ny hafatra mahakazika izany,... ♦ Miara-miasa amin'ny firenen-drehetra i Madagasikara ka manaja ny tsy fiandaniana, hoy ny praiministra, raha naneho hevitra manoloana ireo fihaonana samihafa amin'ireo masoivoho... ♦ Ahiana ny hilatsahan'ny sazy avy amin'ny Fifa ho an'ny baolina kitra malagasy, vokatry ny fitondrana ny disadisa anatin'ny FMF eny amin'ny fitsarana...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco