Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy i Jakôba ary i Joany raha nivoaka avy tao amin’ny sinagôga, dia nankany an-tranon’i Simôna sy i Andre. Ary ny rafozam-bavin’i Simôna nandry teo am-pandriana fa nanavy, ka noresahin’izy ireo taminy niaraka tamin’izay. Dia nanatona nandray ny tanany i Jesoa sy nanarina azy, dia afaka ny tazony ka nanompo Azy izy. Nony hariva efa maty masoandro, dia nentina teo aminy ny marary rehetra sy ny azon’ny demony, ary ny tao an-tanàna rehetra nitangorona teo am-baravarana avokoa. Dia nanasitrana olona maro nararin’ny aretina samihafa Izy, sady nandroaka demony maro, fa tsy navelany hiteny ny demony, satria nahafantatra Azy. Nony ampitso nifoha maraina alina koa Izy, dia nivoaka nankany amin’ny tany mangina, ka nivavaka tany. Dia lasa nitady Azy i Simôna sy ny namany ka nony nahita Azy dia nilaza taminy hoe : "Tadiavin’ny olona rehetra Ianao". Fa izao no navaliny : "Andeha isika hankany amin’ny tanàna akaiky, mba hitoriako any koa ; fa izany no nivoahako". Dia lasa Izy nitory tamin’ny sinagôgan’ny olona sy eran’ny Galilea rehetra, sady nandroaka ny demony.

Indray sabata, raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa sy ireo nanara-dia Azy, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ary nampianatra azy ireo Izy. Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna. Ary tao amin’ny sinagôgany, dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy nanao hoe: "Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao ? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra". Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe : "Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io". Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe : "Inona itý ? Fampianarana vaovao inona re itý ? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy". Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

Nony natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe : "Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra ; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely". Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy : "Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo". Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

Tamin’izany andro izany, nitory teny i Joany nanao hoe : “Avy aoriako Ilay mahery noho izaho, ka tsy mendrika hiondrika hamaha ny fehi-kapany akory aho. Izaho nanao batemy anareo tamin’ny rano, fa Izy kosa hanao batemy anareo amin’ny Fanahy Masina”. Ary tamin’izany andro izany, dia tonga avy any Nazareta tanànan’i Galilea i Jesoa, ka nataon’i Joany batemy tao Jordany. Raha vao niala avy tao anaty rano Izy, dia nahita ny lanitra nisokatra, sy ny Fanahy nidina tahaka ny voromahailala, nankeo amboniny; ary nisy feo avy tany an-danitra nanao hoe : “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko”.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...