Tamin’izany andro izany, i Jesoa nahita vahoaka betsaka ka nangoraka azy, satria tahaka ny ondry tsy manam-piandry izy ireo ; dia nampianatra azy zavatra maro Izy. Nony hariva ny andro dia nanatona Azy ny mpianany nanao hoe : “Ny tany efitra ; ny andro efa hariva, ka alefaso ny olona handeha hividy hanina any amin’ny tanàna sy ny vohitra manodidina.” Fa izao no navaliny azy ireo : “Omeonareo hanina izy.” Ka hoy ireo taminy : “Handeha hividy mofona denie roanjato va izahay ka homenay azy hohaniny ?” Ary hoy Izy taminy : “Manana mofo firy ianareo ? Mandehana hoe zahao.” Ary rahefa nozahany, dia hoy izy : “Mofo dimy sy hazandrano roa.” Dia nasainy hampipetraka ny olona rehetra hatao antokotokony eny amin’ny ahi-maitso izy ireo ; ka nipetraka mitsitokotoko izy, ny sasany zato, ary ny sasany dimampolo. Dia noraisiny ny mofo sy ny hazandrano roa, ary niandrandra ny lanitra Izy, ka nitsodrano. Rahefa izany novakìny ny mofo dia nomeny ny mpianany mba harosony eny anoloan’ny olona, ary nozarainy tamin’izy rehetra koa ny hazandrano roa. Dia nihinana izy rehetra ka voky ; ary ny sombintsombin’ny mofo sy ny hazandrano sisa tsy lany nahafeno sobiky roa ambin’ny folo ka nentiny nody. Dimy arivo lahy anefa no isan’ny nihinana tao.

Tamin’izany andro izany, nony ren’i Jesoa fa natao an-tranomaizina i Joany, dia lasa Izy nankany Galilea ; ka nony niala tany Nazareta dia tonga tao Kafarnaôma, tanàna amoron-dranomasina ao amin’ny sisin-tanin’i Zabolôna sy Neftali ka nonina tao, mba ho tanteraka ny teny nolazain’i Izaia Mpaminany hoe : “Ny tanin’i Zabolôna sy ny tanin’i Neftali, ny lalana ao amoron-dranomasina, any an-dafin’i Jordany, Galilean’ny Jentily : ny olona izay nitoetra tao amin’ny maizina dia nahita fahazavana lehibe, ary ireo izay nitoetra tao amin’ny tany aloky ny fahafatesana no niposahan’ny mazava.” Hatramin’izay dia nanomboka nitory teny i Jesoa ka nanao hoe : “Mibebaha ianareo, fa efa akaiky ny fanjakan’ny lanitra.”

Ary i Jesoa nitety an’i Galilea manontolo, nampianatra tao amin’ny sinagôgan’ny olona, sy nitory ny Evanjelin’ny Fanjakan’Andriamanitra, ary nanasitrana ny aretina sy ny rofy rehetra tamin’ny olona. Dia niely eran’i Siria manontolo ny lazany, ka nentin’ny olona tany aminy ny marary rehetra izay azon’ny aretina sy ny fijaliana samihafa, dia ny mararin-javatra, ny mararin’ny androbe, ny malemy, ka nositraniny ireny. Ary be ny vahoaka avy tany Galilea sy Dekapôly sy Jerosalema sy Jodea ary avy tany an-dafin’i Jordany, no nanaraka Azy.

Rehefa teraka tao Betilehema any Jodea i Jesoa tamin’ny andron’i Herôda mpanjaka, dia indreo nisy Majy avy tany Atsinanana tonga tany Jerosalema nanao hoe : “Aiza ilay Mpanjakan’ny Jody vao teraka ? fa efa nahita ny kintany tany Atsinanana izahay, ka nankaty mba hitsaoka Azy”. Raha nahare izany i Herôda mpanjaka, dia taitra izy mbamin’i Jerosalema rehetra, ka namory ny lohan’ny mpisorona rehetra, sy ny mpanora-dalàna tamin’ny vahoaka izy, ary nanontany azy hoe : “Aiza no hahaterahan’i Kristy ?” Ary hoy ireo taminy : “Ao Betilehema any Jodea, fa izao no voasoratry ny mpaminany : Ary ianao, ry Betilehema tanin’i Jodà, tsy ianao no kely indrindra amin’ny renivohitr’i Jodà, fa avy ao aminao no hivoahan’ilay Mpanjaka izay hifehy an’i Israely oloko”. Dia nalain’i Herôda mangingina ny Majy, ka nohadihadîny fatratra ny andro nisehoan’ny kintana taminy. Ary naniraka azy ho any Betilehema izy nanao hoe : “Andeha ka fotopotory tsara ny amin’ilay Zaza ; ary rehefa hitanareo, dia ilazao aho mba hankanesako any koa hitsaoka Azy”.

Ary rehefa nandre ny tenin’ny mpanjaka izy ireo dia lasa. Ary indro ilay kintana hitany tany Atsinanana, fa nialoha azy ambara-pijanony teo ambonin’izay nitoeran’ny Zaza. Faly dia faly izy nony nahita ny kintana, ary rehefa tafiditra tao an-trano izy, dia nahita ny Zazakely sy i Maria Reniny, ka niankohoka nitsaoka Azy ; ary nony efa nosokafany ny fitoeran-drakiny, dia nanolotra fanatitra ho Azy izy, dia volamena sy emboka manitra ary mira. Ary rehefa notoroan’Andriamanitra hevitra tamin’ny nofy izy ireo tsy hiverina any amin’i Herôda, dia lalan-kafa no nalehany nody ho any amin’ny fonenany.

Izao no nambaran’i Joany Batista raha naniraka mpisorona sy levita, avy tany Jerosalema, hankany aminy ny Jody mba hanontany azy hoe: “Iza moa ianao ?” Nilaza marina izy ka tsy nandà, fa nanao hoe : “Tsy i Kristy aho.” Dia nanontany azy izy ireo nanao hoe: “Iza àry ? i Elia va ianao ?” Fa hoy izy. “Tsy izy aho.” Dia hoy ireo : “Ilay mpaminany va ianao ?” Fa hoy ny navaliny ; “Tsia.” Ka hoy izy ireo taminy. “Iza àry ianao, mba hitondranay valy amin’izay naniraka anay? Ataonao ho iza ny tenanao ?” Dia hoy izy. “Izaho no feon’ny miantso any an’efitra hoe : Ahitsio ny lalan’ny Tompo, araka izay voalazan’i Izaia mpaminany.” Ary Farisianina ireo iraka ireo. Dia nanontany azy indray ireo ka nanao taminy hoe : “Nahoana àry ianao no manao batemy raha tsy i Kristy ? na i Elia, na ilay Mpaminany ?” Ka novalian’i Joany hoe : “Izaho manao batemy amin’ny rano ; fa eo aminareo misy anankiray tsy fantatrareo, dia ilay avy ao aoriako, ary tsy mendrika hamaha ny kofehinkapany aza aho.”

Tany Betania an-dafin’i Jordany izay nanaovan’i Joany batemy, no natao izany zavatra izany.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...