Tamin’izany andro izany, i Jesoa sy ny mpianany, dia nankany amin’ny tanin’i Jodea ary niara-nitoetra tamin’izy ireo tany Izy sady nanao batemy ny olona. I Joany koa nanao batemy tany Enôna akaikin’ny Salîma, fa be rano tao, ka nanatona ny olona sy nataony batemy; fa tsy mbola natao tao an-tranomaizina i Joany. Ary nifanditra tamin’ny Jody anankiray ny amin’ny fanadiovana ny mpianatr’i Joany, ka nankany amin’i Joany ny mpianany nanao taminy hoe: "“Raby, Ilay teny aminao, teny an-dafin’i Jordany, izay nambaranao manko, ka indro manao batemy koa ary mankany aminy ny olona rehetra". Dia namaly i Joany ka nanao hoe: "Tsy mahazo mandray na inona na inona ny olona raha tsy nomena azy avy any an-danitra izany. Ary ianareo ihany no vavolombelon’ny nilazako hoe: Tsy i Kristy aho, fa nirahina hialoha Azy. Izay manana ny ampakarina no mpampakatra, fa ny sakaizan’ny mpampakatra izay mitsangana eo sy mihaino azy, dia faly tokoa mandre ny feon’ny mpampakatra; ary izany hafaliana izany no tanteraka amiko. Izy tsy maintsy mitombo, fa izaho kosa tsy maintsy mihena".

Tamin’izany andro izany, i Jesoa raha tao amin’ny tanàna anankiray, dia indro nisy lehilahy rakotry ny habokana nahita Azy, sy niankohoka nitaraina taminy nanao hoe: “Tompoko, raha mety Ianao, mahay manadio ahy.” Dia naninjitra ny tanany Izy nanendry azy, sy nanao hoe: “Mety Aho, madiova ianao”, ka afaka niaraka tamin’izay ny habokany. Noraran’i Jesoa tsy hilaza izany na amin’iza na amin’iza izy. Ary hoy Izy: “Mandehana misehoa amin’ny mpisorona, ka manatera ny fanatitra noho ny fahasitrananao, araka ny voadidin’i Môizy, mba ho vavolombelona amin’ny olona.” Fa mainka niely ny lazany, ka nirohotra be dia be ny vahoaka mba hihaino Azy sy mba hositraniny amin’ny aretiny; Izy kosa anefa amin’izany dia nihataka nankany an’efitra ka nivavaka tao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny tany manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia Mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahoriana ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana.” Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany.” Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany.

Tamin’izany andro izany, rahefa nampitombo ny mofo i Jesoa, dia notereny hiondrana an-tsambo kely niaraka tamin’izay ny mpianany, mba hialoha Azy eny am-pita ho any Betsaida, ambara-pandravany ny vahoaka; ary rahefa avy nanao veloma ny olona Izy, dia nankany an-tendrombohitra mba hivavaka. Nony hariva ny andro, ny sambo kely dia efa mby teny ampovoan’ny ranomasina, ary i Jesoa irery no teny an-tanety. Ary hitany izy ireo sahirana nivoy mafy erý fa notohain’ny rivotra, ka tokony ho tamin’ny fiambenana fahefatra tamin’ny alina, dia nandeha teny ambonin’ny ranomasina Izy nankeo aminy, ka saika handalo azy. Kanjo nony nahita Azy nandeha teny ambony rano izy ireo, dia nataony ho matoatoa ihany ka niantsoantso mafy izy, fa nahita Azy avokoa izy rehetra ka raiki-tahotra erý. Niaraka tamin’izay dia niteny taminy Izy nanao hoe: “Matokia, fa Izaho ihany, ka aza matahotra.” Ary niakatra teo aminy eo an-tsambo kely Izy, dia nitsahatra ny rivotra, ka talanjona fatratra izy ireo, fa tsy azony an-tsaina itý fahagagana tamin’ny mofo teo noho ny hadonton’ny fony.

[Miara-dàlana] Zoma 10 mey 2024

♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...