Ao natin'ny "TENY" dia misy hery miafina, koa tokony hitandrina isika amin'ny "teny" lazaina : mety ho tso-drano ary mety ho ozona. Ny teny dia endrik'Andriamanitra ao amintsika olombelona noho izany dia tokony ho "TENY" famporisihana mitondra soa ho an'ny hafa no hatao fa tsy fandatsana sy fandrabirabiana. Ady lehibe ny ady ara-toekarena koa samia miezaka sy manome lanja ny haren'ny firenena... Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

Ny "andropause" dia fihenan'ny ely "testostérone" eo amin'ny lehilahy izay efa zokiolona. Ny andropause dia sady tsy tranga mitranga ara-potoana ary tsy voatery miaraka amin'ny soritr'aretina. Mihena tsikelikely ny taha sy ny kalitaon'ny testosterone. Ny hatavizana dia maha aingana ny fisehon'ny "andropause". Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.

Mamokatra mangahazo 3 tapitrisa taonina eo ho eo Madagasikara araka ny tarehimarika ny taona 2022. Mahatratra eo amin’ny 7,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Manodidina ny 4 hetsy hektara ny tany amokarana mangahazo eto amintsika. Natokana ho sakafon’ny olombelona ny ampahany amin’ny mangahazo eto Madagasikara. Ny 60 isanjato, manodidina ny 8 hetsy sy iray tapitrisa taonina kosa dia natao ho sakafon’ny biby fiompy...

Ny 23 avrily no andro fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an'ny zon'ny mpanoratra sy ny vaky boky. Efa misy fomba maro izao entina hanaovana ny vaky boky, indrindra vokatry ny fandrosoana ara-teknôlôjia. Isan'ny fitaovana manampy ny tsirairay hivelatra, hamantatra zava-baovao, afahana mampiana-tena, mampatoky tena manoloana ny olona, manampy amin'ny fahaizana manapa-kevitra... Fandaharana "Miaina sy mitia" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...