Ny 11 jolay dia natokana hankalazana ny andro iraisam-pirenena hoan’ny mponina, izay mitazona anjara toerana lehibe eo amin’ny fampandrosoana, satria sady mpisitraka izy no mpanatanteraka io fampandrosoana io. Araka izany dia ilaina ny fananana mponina ampy fanabeazana, ampy fahalalàna, manana sy manaja ny soatoavina, salama, miaina anaty fandriam-pahalemana... Ny fampandrosoana dia andraikitry ny tsirairay sy ny daholobe, fa tsy miankina manokana amin’ny olo-tokana samirery na vondron’olona.  Fandaharana "miaina sy mitia" hiarahana amin’ny Vaomieran’ny Eveka, eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.

Ny hoe mahatarika dia ianao mahay miara-miaina aman'olona, izay olona samy manana ny maha-izy azy ; tsy ianao no mibaiko sy manery ny hafa fa misy toetra mahatarika ny olona, izay voajanahary ao aminao, mifototra amin'ny fifampatokisana. Ny mitondra dia manana tanjona tiana tratrarina, ary ampitainy amin'ny ireo olona entina, izany hoe tompon'andraikitra tanteraka amin'ny fahatratrana ny tanjona sy ahazoana vokatra, mifotra amin'ny baiko sy lalàna, azo adika hoe fahefana... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

Mivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana ao anatin'ny Distrikan'i Faratsiho Faritr'i Vakinankaratra i Nantenaina Casimir. Niofana manokana momba ny fitsaboana izy saingy nisafidy ny ivelona amin'ny fambolena sy ny fiompiana. Tanora nanovo fahalalana tao amin'i Papa Bio na Ranaivoarison Basil i Nantenaina Casimir. Kankana 2 tanana teo ho eo tao amin'i Papa Bio no niatombohany, roa taona lasa izay.

Ny fanabeazana atao amin'ny taranaka ankehitriny, dia mba hanohy hatrany ny fikarakarana ny tanindrazana nimpoiran'ireo ray aman-dreny, indrindra ny ray. Ny voalohany amin'ny fanabeazana dia ny fampahafantarana ny zanaka ny tantaran'ny tanàna niavian'ny ray. Ny loha-hevitra amin'ny fankalazana ny fetim-pirenena amin'ity taona 2024 ity dia isan'ny maneho izany : "Madagasikara mandroso, Malagasy miara-mientana amin'ny fitiavana ny tanindrazana" ... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 4 aogositra 2025

• Fandraisana an'i Kristy ho namana akaiky ary ho malina hatrany eo anatrehan'ny fisarihana manodoka ka handalina ny finoana, no nanentanan'ny Arsevekan'Antananarivo ny tanora rehetra, nandritra ny famaranana ny JMJ Diosezy tany amin'ny Distrikan'i Mahitsy... • Nanentana ny tanora rehetra ihany koa ny Papa Léon XIV, mba hifikitra mandrakariva amin'i Kristy ny tanora, nandritra ny famaranana ny Jobilin'ny Tanora izay notanterahana tany Roma... • Eo amintsika sy ao amintsika i Jesoa Tompo ao amin'ny Eokaristia, hoy ny Papa Léon XIV, ka andeha isika hisaotra ny Tompo noho ny fanomezana lehibe amin'izao andro Jobily izao. Hafatra nentiny ho an'ny tanora nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...