• Ahiana hafampana amin'ny hetsika anio zoma ny ao Antananarivo Renivohitra. Hiverina an-kianja, rehefa niato iray andro, ireo mpanao fitakiana sy fihetsiketsehana... • Voaresaka teo amin'ny Olafitry ny Mpanao gazety sy ny mpitandro ny filaminana teny Anosy omaly, ny fisorohana mba tsy hiverenan'ny heristra an-kianja. Naharitra ora iray sy sasany ny fihaonana... • Nadefa taratasy fangatahana any amin'ny Filoha, hahafahan'ireo tanora maneho hevitra eny amin'ny Kianjan'Ambohijatovo na eny amin'ny Kianjan'ny 13 mey, ny mpanakanto...

Ny hita ao anatin'ny Testamenta Taloha dia tantaram-pamonjena ho an'ny olombelona. Nifidy vahoaka iray Andriamanitra, nanehoany ny fitiavany hamonjy ny olombelona. Andriamanitra no nifidy an'i Abrahama, izay niavian'ny mpamonjy (Abrahama - Isaaka - Jakôba - Josefa) ; miahy ny vahoakany Andriamanitra amin'ny alalan'ny iraka... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.

• Nifanipa-kevitra ireo Solombavam-bahoaka, momba ny raharaham-pirenena. Nilaza ny hisokatra amin'ny hery rehetra ireo depiote manohana ny fitondrana, amin'ny fanendrena ny Praiminisitra. Nitsipaka izany ny mpanohitra... • Tafajoro androany ny Komity Mpandrindra ny Tolona, hitarika ny fitakiana an-dalambe nisy tato anatin'ny herinandro. Mangataka ny hanokafana ny Kianjan'ny 13 mey ireo mpanakanto sasany... • Tsy manao afa-tsy fiandrasan-draharaha ireo mpiasan'ny fahaslamana anatin'ny sendika TRIADE, amin'izao. Roa andro androany izy ireo no nanao “sit in” eny anoloan'ny Minisiteran'ny Fahasalamam-bahoaka Ambohidahy...

♦ Maneho ny alahelony manoloana ny herisetra sy ny aina nafoy amin'ny tranga misy eto Madagasikara izao ny masoivohon'ireo firenena tandrefana ary ny delegasiôn'ny Vondrona Eraopeana. Manamafy ny maha-zava-dehibe ny tany tan-dalàna sy ny fanajàna ny zo fototra toy ny fahalalahana maneho hevitra sy mivory am-pilaminana... ♦ Manao hetsika mitaky ny zony koa ireo mpampianatra amin'ny Faritra maro eto Madagasikara. Isan'izany ny ao Vakinankaratran Amoron'i Mania... ♦ Tombanana ho betsaka ny rotsak'orana any amin'ny morontsiraka ho an'ny anio sy rahampitso 3 oktobra, raha ny vinavina avy amin'ny Météo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...