♦ Miangavy ny olom-pirenena Malagasy ny Arsevekan'i Toamasina, Mgr Désiré Cardinal Tsarahazana mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba ahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha manahirana eto amin'ny firenena izao izy... ♦ Nahery vaika ny fanenjehan'ny mpitandro filaminana ny mpanao fihetsiketsehana ny tolak'andro teo, tao Antananarivo-renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... ♦ Voapetraka omaly antoandro teny amin'ny Fitsaràna Anosy ny fitorian'ny holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety...
Ny fizarana fahatelo dia ny "Katobim", misy tononkalo (poesie) sy teni-pahendrena, fitoriana fitiavana ; boky ohabolana misy teny mamy fampaherezana. Ny tokon-kira dia fampiasa amin'ny litorjia, mifanandrify amin'ny volana maro ao anatin'ny taon iray : Rota, Estera. Mifamatotra amin'ny fiainan'ireo Jody ny tononkalo, tononkira, ohabolana toy ny hoe fanangonam-bokatra, fahatsiarovana ny fanafahana... Katesizy momba ny Testamenta Taloha, iarahana amin'i P. Abdon Rafidison.
• Miangavy ny olom-pirenena eto Madagasikara ny Arsevekan'i Toamasina, Son Eminence Monseigneur Désiré Cardinal Tsarahazana, mba hiala amin'ny herisetra. Maniry ny mba hahitana vahaolana amin'izao toe-draharaha izao ny Arsevekan'i Toamasina... • Nahery vaika ny famoretana sy ny fanenjehan'ny mpitandro ny filaminana ireo mpanao fihetsiketsehana ny tolakandro teo, tao Antananarivo Renivohitra. Maro ireo naratra vokatry ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso, ary nisy tamin'izy ireny no ankizy... • Tafapetraka androany antoandro teny amin'ny Fitsarana Anosy, ny fitorian'ny Holafitry ny mpanao gazety ny FIGN sy ny GSIS, rantsana eo anivon'ny Zandarimariam-pirenena. Izy ireo izay nikasi-tanana sy nanapotika ny fitaovan'ny mpanao gazety eo am-panatanterahana ny asany...
♦ Nametraka fitoriana mahakasika ny herisetra nahazo ireo mpanao gazety omaly ary mangataka fifonana avy amin'ny tompon'andraikitra eo anivon'ny zandarimariam-pirenena ny holafitry ny mpanao gazety... ♦ Nanodidina ny 50 teo ireo olona efa voasambotra sy efa navotsotra nandritra ny hetsika "Leo delestage" nanerana ny nosy, izy ireo izay narovan'ny mpisolovava am-polony niasa an-tsitrapo... ♦ Tsy midika ho gaboraraka ny fanomezan-dàlana haneho-hevitra hoy ny fanambarana nataon'ny teo anivon'ny EMMONAT, nilaza ny hijoro hiaro ny tany tan-dàlana izy ireo...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco