• Nitondra fanazavana momba ny raharaha Jean Luce Randriamihaotra sy ny antony nitanana am-ponja vonjimaika azy omaly ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny Fitsaràna Ambaratonga Voalohany Antananarivo...
  • Miantso ny handalana ny fihavanana Malagasy, ny hanajana ny filaminana sy ny fitoniana eto amin'ny tany sy ny firenena ny Arseveka Anglikanina vaovao ny Mgr Dr Rateloson Rakondravelo Gilbert...
  • Mihamahazo vahana teo anivon'ny Faritra Anôsy sy doro tanety sy doro ala, nivory nitady vahaolana momba izany ny BNGRC, ny ekipan'ny ministeran'ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovain-jafy ary ny Faritra Anôsy...
  • Notondroin'ny firenena mikambana ho tompon'antoka tamin'ny tifitra nahazo ireo fiara mpitondra fanampiana maha-olona avy amin'ny PAM niazo an'i Gaza i Israël...

I Masindahy Lucien de Beauvais no ankalazaina ny 08 janoary. Nipoitra avy amina fianakaviana romanina i Lucien. Lucius mitovy amin'ny anaran-drainy no fiantso azy fa novany ho Lucien io tamin'ny fotoana nihainoany ny fampianaran'i Masindahy Pierre. Nitety an'i Italie izy nitory ny Vaovao Mahafaly.

Raha raisina amin'ny maha kristianina ny teny hoe "méditer" dia manana ny heviny manokana tsy azo vonoana. "Méditer" dia tena ilain'ny maha olona rehetra, fa manana dikany lalindalina kokoa izay teny izay raha raisina amin'ny maha kristianina. I Jesoa Kristy no lalana ary Izy no ianarana rehefa manao "méditation". Ny fandinihana dia firosoana hihaonana amin'Andriamanitra... Katesizy momba ny fandinihana masina, iarahana amin'i P. Rasolofoniaina Olivier - S.J.

  • Niarahaba sy nirary soa ny filohan'ny CENI teny amin'ny birao fiasany teny alarobia androany ny Arseveka Anglikana vaovao hitantana ny Province Ranomasimbe Indiana, Mgr Rateloson Rakondravelo Gilbert...
  • Misy andro ratsy miforona ao atsinanan'ny Ranomasimbe Indiana. Vinavinaina hitombo hery izy io ka mety ho lasa rivo-doza ny alakamisy vao maraina ary hanambana ny ilany avaratra atsinanana, na afovoany atsinanan'ny nosy kosa izy ny sabotsy izao...
  • Tsy hanara-dia ny firaisan-kina sy ny RMDM tamin'ny antso itambaran'ny mpanohitra ny mpikamban'ny kôlektifan'ny Malagasy Jean Jacques Ratsietison ; efa nisy hoy izy ny famadihana tany aloha tany...
  • Nodimandry androany teo amin'ny faha-96 taonany ny mpanorina ny antoko Front National, Jean Marie Le Pen...

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...