Talata 20 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 35-38 — Fanilo ho an’ny tongotro ny teninao, ary fanazavana ny lalako.

Tsy aretina ny fitsaharan'ny fadim-bolana eo amin'ny vehivavy fa dingam-piainana, ka misy ireo zavatra tsy maintsy fantarina momba azy. 80% ny vehivavy no mandalo tsy manana olana io vanim-potoana io. Misy zavatra mety hiova eo amin'ny vehivavy. Anisan'izany ny volo mihamanify, ny hoditra tsy malefaka intsony fa mivoraka amin'ny faritra sasany, ny fihenan'ny fisian'ny hely ao anatin'ny vehivavy, ny taolana mihapoakaty indrindra raha tsy ampy "calcium", "magnésium", "potassium", "fer", tany aloha.

Alatsinainy 19 ôktôbra 2020 — Herinandro faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 12, 13-21 — Araikao amin’ny fanambarànao ny foko, ry Tompo, ary ny lalànao no aoka hanenika ahy.

Alahady 18 ôktôbra 2020 — Alahady faha-29 mandavantaona — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 22, 15-21 — Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy no hanana ny fahazavan’ny fiainana.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 8 septambra 2025

• Mibanjina, mitandrina ary mahafoy: izay no hafatra napetrak'i Mompera Rakotondranaivo José Gaston, Provinsialin'ny Fikambanana Salezian'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maurice, nandritra ny voady voalohany nataon'ireo frera miisa 13 mirahalahy avy eo anivon'ity fikambanana ity... • Notanterahana tao anatin'ny efatra andro ary nifarana omaly, ny “Festival de la diaconie de la beauté” sy ny “Foire du Diocèse vert”, tany amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...