Sabotsy 28 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 40-53 — Indro ankehitriny ny fotoana tsara, indro ankehitriny ny androm-pamonjena.

♦ Aoka isika hanaraka ny fepetra rehetra apetraky ny tompon'andraikitra isan-tsokajiny isorohana ny fiparitahan'ny Coronavirus, isan'ny nambaran'ny Kardinaly Désiré Tsarahazana io... ♦ 26 izao ireo fantatra fa mitondra ny tsimok'aretina Covid-19 eto Madagasikara... ♦ Tsy misy olona voan'ny Coronavirus ao amin'ny fonjan'Antanimora... ♦ Voatery nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro ny filaminana teny amin'ny faritra Anosizato...

♦ Manana fanafody hitsaboana ny Coronavirus hatramin'ny 2000 isa isika eto Madagasikara, efa nanomana toerana afaka handray marary miisa 800 ihany koa ny fanjakana hiatrehana izao valan'aretina izao... ♦ Faranana anio ny fiombonam-bavaka hasivianandro nanasan'ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara antsika nitalahoana ny famindrampon'Andriamanitra... ♦ Nahetsika hamatsy vary manerana an'Antananarivo ny firaben'ny Zandarimariam-pirenena nanomboka omaly...

Zoma 27 marsa 2020 — Herinandro fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 7, 2. 10. 14. 25-30 — Izaho no fanangananany fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...