♦ Mitaky firaisan-kina ny fanarenana ny toekaram-pirenena vokatr'izao valan'aretina Coronavirus izao hoy Andriamatoa Serge Zafimahova... ♦ Hentitra amin'ny fampiharana ny fepetra ara-pahasalamana hisorohana ny fiparitahan'ny valan'aretina Coronavirus ny ao Moramanga... ♦ Manamafy ny tale jeneralin'ny ATT fa mbola miato mandritra ny fotoana tsy voafetra ny zotra nasionaly sy rejionaly miainga sy miditra an'Antananarivo, Toamasina voalohany sy faharoa ary Fianarantsoa...
♦ Tsy nahitana olona vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus tamin'ireo fitiliana miisa 60 natao ny sabotsy tolakandro teo teto Antananarivo. Tranga roa vaovao kosa ho an'i Toamasina... ♦ Ho fantatra amin'ny alarobia izao ny valin'ny fanadihadiana momba ny vokatry ny fitiliana nivoaka ny alakamisy teo... ♦ Tsy hanan-kery manomboka anio amin'ny mitatao vovonana ny fahazoan-dalana mivezivezy hatramin'izay ho an'ireo mivoaka sy miditra amin'ny faritra Analamanga, Atsinanana ary Matisatra Ambony...
Alatsinainy 11 mey 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 21-26 — Raha niara-nitsangana tamin'i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin'izao itoeran'i Kristy eo ankavan'Andriamanitra, no katsaho.
Alahady 10 mey 2020 — Alahady fahadimy amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 14, 1-12 — Izaho no Lalana sy Fahamarinana ary Fiainana, hoy ny Tompo ; tsy misy olona mankany amin'ny Ray afa-tsy amin'ny alalako.
• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco