Alahady 03 mey 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Paka — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 10, 1-10 — Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo, sady mahalala ny ondriko Aho, no fantany koa.

♦ Tsy maintsy hihena hatramin'ny 2% ny taham-pitomboana ara-toe-karena malagasy noho ny Coronavirus hoy ny CREM... ♦ Mikatso tanteraka ny sehatry ny asa tanana ankehitriny, noho ny fihibohana hiadiana amin'ny Covid-19... ♦ Tokony hisy ny fivorian'ny parlemanta na dia mbola hotohizana aza ny hamehana ara-pahasalamana hoy ny Solombavam-bahoaka Voninahitsy Jean Eugène...

Voajanahary ho an'ny olombelona ny asa. Mila tiavina sy hajaina ny asa noho izany, mba hampivelarana ny tena sy hampivoarana ny fiaraha-monina : Ny hevitry ny asa ao amin'ny Soratra Masina, miaraka amin'i Mgr Jean Pascal Andriantsoavina.

♦ Olona 04 indray no voamarina ho mitondra ny tsomok'aretina Coronavirus eto amintsika, raha ny tarehimarika ôfisialy omaly... ♦ CVO 118 baoritra no natolotry ny fitondrana Malagasy maimaim-poana ho an'ireo firenena 15 mivondrona ao amin'ny CDAO... ♦ Nangina ny fanamarihana ny fetin'ny asa omaly teto amintsika, noho ny fihibohana ho amin'ny ady amin'ny Covid-19...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...