Mandia herinandro vaovao indray isika, herinandro farany amin'ity volana febroary ity. Izany hoe eto ilay fiandrasana ny faran'ny volana izay mampiasa saina ny ankamaroan'ny mpiasa. Toa efa lasa fahazarana mantsy ilay fomba fanaon'ny karama izay manao fandalovana fotsiny ao an-tokantrano ao. Raha atao kisarisary an-tsaina dia indreo efa miatrana miandry haka ny anjarany avy ireo filana fototra tsy azo ialana: ry rahofantrano, rasakafo, rasaran-dalana, rasaram-pianarana, rajirama sy ny sisa tsy ho votatanisa e! Toa tsy manan-jo na iniana omena lamosina aza mazàna ny fil na fototra hafa, satria hodian-tsy hita sy tsy eritreretina, ny tsy ampoizina hafa, raha tsy hilaza afa-tsy ny aretina mety handalo tampoka amin'ny maha nofo sy ra ny olombelona.
24 febroary — Ny Modeste resahana etoana dia ilay eveka tao Trèves tao Rhénanie any amin'ny faritr'i Allemagne tamin'ny taonjato fahadimy, vanim-potoana nanjakan'i Clovis, mpanjakan'ny Francs.
• Hotanterahana ny 14 hatramin'ny 18 septambra 2025, ny fiofanana iraisam-pirenena ho an'ny pretra aomonie sy ny mpitantana ara-panahy ny skoto aty Afrika... • Mankalaza ny faha-70 taona niorenany ny Masera Fo Madion'i Maria ao Antsiranana... • Hampitambatra sy hampiray ny finoana sy ny antokom-pivavahana, fa tsy hampisara-bazana, hoy ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco