Alakamisy 02 aprily 2020 — Herinandro fahadimy amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Mansindahy Joany 8, 51-59 — Izaho no fananganana sy fiainana, hoy ny Tompo ; izay mino Ahy dia tsy ho faty mandrakizay.

♦ Mbola nitombo efatra indray ireo olona voamarina fa mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus, raha ny valin'ny fitiliana avy eny amin'ny Institut Pasteur de Madagascar... ♦ Nitohy androany ny Test Diagonostic Rapide (TDR) atrehin'ireo olona tonga avy any ivelany, ny 11 marsa hatramin'ny 19 marsa teo, atao eny amin'ny Jumbo Score Ankorondrano sy ety amin'ny CCI Ivato...

♦ Nahazo fampitandremana am-bava tamin'ny tompon'andraikitra misahana ny serasera sy ny kolontsaina any Vatovavy Fitovinany ny Radio Katôlika Mazava Atsinana fa tsy mandefa ny fandaharana miara-manonja miainga etsy amin'ny CCO ety Ivato... ♦ Mikatona amin'ny 12 ora antoandro ny Tsenanasabotsy sy Antsenakely ao Antsirabe manomboka androany ho fampiharana ny fepetra tsy hiparitahan'ny Coronavirus any Vakinankaratra...

♦ Niisa dimy ireo mpandeha avy any ivelany tonga teto Madagasikara nanomboka ny 11 marsa teo, natao fitiliana faobe tetsy amin'ny CCI Ivato sy teny Ankorondrano omaly, no mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus... ♦ Nidina ifotony nijery akaiky ny fizarana ny fanomezana avy amin'ny fitondram-panjakana ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina mivady...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...