Maro ny vavaka nosintonina tamin'ny hevitry ny Soratra Masina sy ny lovam-panahin'ny Fiangonana no noraiketin'ireo Aban'ny Fiangonana ho vavaka tsy miova ka azo atao tsianjery mba hampitombo fahaizana sy fahalalana ny kristianina mahakasika ny Misterin'Andriamanitra. Isan'ny faratampony amin'ny vavaka ampianarin'ny Fiangonana ny Litorjian'ny Sorona Masina... Katesizy momba ny Eglizy, Reny mpampianatra mivavaka, iarahana amin'i P. Wagner Randriamampandry.

20 desambra 2024 — Herinandro mialoha ny Noely — Ianao ilay Emanoela Mpanjaka sy Mpanalalana anay, avia hamonjy anay, ry Tompo Andriamanitray — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk 1, 26-38)

  • Nametraka fitoriana eny amin'ny Fitsarana miady amin'ny Fanjakana, ny antoko TIM androany. Fitoriana, tsy hanekeny ireo ambara fa tsy fanarahan-dalàna tamin'ny fifidianana tao an-drenivohitra ny 11 desambra 2024...
  • Hihena 70 tapitrisa litatra ny fiankinan-doha amin'ny famokarana herinaratara amin'ny solika, ao aorian'ny fahavitan'ny toby famokarana any Ranomafana Ankazobe. Napetraka androany ny vatofototry ny fananganana azy io...
  • Haka ny hevitry ny rehetra amin'ny alalan'ny tranonkala amin'ny Internet, ny Vovonana Vonjeo ny Fanabeazana. Tanjona ny hanarenana ny hasin'ny fampianarana eto Madagasikara...

  • Hisy ny lamina sy fandrindrana atao mba hifehezana ny fidangan'ny vadim-bary tafahoatra, raha ny nambaran'ny Ministra misahana ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Varotra...
  • Mandray anjara amin'ny fampivoatra ny toe-karena Malagasy ny orinasa Royal Spirit amin'ny alalan'ny fampidirana vola vahiny ao amin'ny kitapom-bolam-panjakàna. Mankalaza ny faha-50 taona nijoroany ity orinasa ity...
  • Miaina fahasarotana maro ny amin'ny fanatanterahana ny asany ny vehivavy mpanao gazety, isan'izany ny fanitsakitsahana zony ara-tsosialy, na ara-tsaina na araky ny lalàna. Misy ny fandaharan'asa A-VIAVY hiarovana azy ireo amin'izany...
  • Sazy 30 taona an-tranomaizina no miandry ny mpiasan'ny ministera iray, izay tratra nanao fanodikodinam-bolam-panjakàna amina miliara tany Burkina Fasso...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...