Misy hafatra miisa folo notsoahina tamin'ny tantaran'i Rainandriamampandry. 1-Meteza ho fototrolona. 2-Tiavo ny ankohonana. 3-Manolora tena ho an'Andriamanitra. 4-Loloavy ny tanindrazana. 5-Mitozoa amin'ny fianarana. 6-Tandrovy ny fahamarinana. 7-Mandalà fihavanana (adidy amin'ny havana sy ny fiaraha-monina). 8-Manàna tanjan-tsaina. 9-Mijoroa amin'ny maha-malagasy. 10-Miankìna amin'Andriamanitra. Rainandriamampandry dia olona nampisongadina ny soatoavina malagasy indrindra ny fanaovana ho zava-dehibe ny "fihavanana". Aza mitady ho vazaha fa mitoera ho Malagasy mandra-pahafaty...

Na loharanon'ny fiainam-panahy aza ny Litorjia dia tsy voafetra amin'izany ihany ny fiainam-panahy kristiana. Misy ny vavaka manokana, ny fandinihana masina, ny asa fiantrana, izay mitarika sy mivelatra avy amin'ny Litorjia. Ny mpino dia antsoina ho olon'ny Litorjia amin'ny fiainany manontolo. Ny fiainam-panahy dia tsy amin'ny fotoana fivavahana fotsiny... Katesizy momba ny tantaran'ny foto-pampianarana litorjia ao amin'ny Konsily Vatikana-II, iarahana amin'i P. Randriamanamahenina Robert Marie.

• Hiroso amin'ny fitokonana faobe ny mpiasan'ny JIRAMA rahampitso, ka hifamotoana eny Soanierana... • Mbola mitohy ny hetsi-pitakiana ataon'ny mpiasan'ny fahasalamana ka hetsika roa samy hafa no nataon'izy ireo androany... • Nanamafy ny fahavononany hitondra ny anjara birikiny amin'ny fanarenana an'i Madagasikara ny antoko AREMA...

♦ Nosavaina omaly hariva ny trano fonenan'Andriamatoa Naina Andriantsitohaina noho ny raharaha findraman'ny SMDG vola 11 miliara tao amin'ny CNaPs, nandritra ny maha-ben'ny tanàna an'Antananarivo azy... ♦ Tsy misy antony mazava tokony hanalàna ny ben'ny tanànan'Antananarivo amin'ny toerany hoy ny Ilo-Mada. Milaza ho manohana azy, hamita ny fe-potoam-piasàny ity antoko ity... ♦ Mitaky ny hanatsaràna ny lalàna mifehy ny fiahiana ara-tsôsialy mpiasa ny Fisemare amin'izao fanovàna izao. Tafiditra anatin'izany ny fampiakarana ny latsak'emboka hitombon'ny vola raisina amin'ny fisotron-dronono...

[Miara-dàlana] Zoma 23 ôktôbra 2026

• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...