• Nihaona tamin'i Papa François, omaly, ny filohan'ny fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sady Evekan'i Morondava, Mgr Raharilamboniaina Fabien...
  • Hanohy ny asany tsy ho ela ny orinasa Base Toliara. Nofoanan'ny Fanjakàna ny fampiatoana ny asa fitrandrahana nataon'ny orinasa tamin'ny taona 2019...
  • Ho betsaka ny rotsak'orana eto amin'ny Faritra Analamanga, Vakinankaratra ary Amoron'i Mania rahampitso Zoma. Mety hiteraka fikorontanan'ny asa aman-draharaha andavan'andro izany amin'ireo toerana mora tondraka. Entanina ny rehetra hanaraka ny toromarika homen'ny manam-pahefana hoy ny Météo Madagasikara...

Ny ray aman-dreny dia manana adidy hampita ny tantara amin'ny taranaka mba hamelona ny fanantenana ao anatin'ny tanora. Mivaona tanteraka ny iainan'ny mpitondra ankehitriny ny teny filamatry ny repoblikan'i Madagasikara. Fitiavana-Tanindrazana-Fandrosoana ; ny fitiavana eto dia mirona amin'ny fitiavan-tena, fitiavam-bola sy voninahitra ary harena ; noho ireo dia fandrosoana miiba no misy ho an'ny Tanindrazana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana miasa amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.

  • Nanamafy ny Fiaraha-miasa teo aminy ny sendikan'ny Indostria Malagasy na ny SIM sy ny antenimieran'ny varotra sy ny indostria Frantsa sy Madagasikara na ny CCIFM. Nisy ny fifanarahana nosoniavina momba izany...
  • Hitombo 10 tapitrisa ka ho lasa 24 tapitrisa ny isan'ny ankizy eto Madagasikara amin'ny taona 2050. Tatitra nataon'ny UNICEF momba ny ho avin'ny ankizy manoloana ny fiovana eran-tany...
  • Namono raim-pianakaviana 25 taona ilay rotsak'orambe nitranga teo an-drenivohitra ny zoma lasa teo ; omaly no natao ny fandevenana azy...
  • MIrohatra miverina amin'ny toerana nisy azy indray ireo teratany libanais nandao ny toeram-ponenany noho ny fanafihana nataon'ny Israelianina ny tanàna misy azy ireo...

Manana anjara asa lehibe ny Fanahy Masina ao amin'ny Vavaky ny Kristianina. Ny Papa François dia manazava fa manampy ny olombelona hivavaka ny Fanahy Masina, na dia tsy hay aza hoe hatao ahoana ny handrafetana ny vavaka fangatahana ataon'ny olombelona. Mpampianatra lehibe ao anatintsika amin'ny vavaka ny Fanahy Masina... Katesizy momba ny vavaka sy ny Trinite Masina, iarahana amin'i P. Germain Thierry Randriamiarantsoa.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 16 jona 2025

• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...