♦ Tsy ekena ny fanakorontanana ataon'ny mpanohitra izay olom-bitsy, amin'ny fandraisana ny fihaonana an-tampon'ny COI hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Mila fantatr'ireo mpizaika amin'ny fivorian'ny COI ny olona misy iainan'ny vahoaka hoy ny antoko TIM... ♦ Mametraka tanjona hamongotra andiam-balala amina velaran-tany 100.000Ha hatramin'ny 2028 ao amin'ny Faritra Atsimo-Andrefana ny Ivon-toerana Famongorana ny Valala eto Madagasikara... ♦ Harenina manontolo y toby famokarana rano eny Mandroseza-I hitombo 40.000m3 isan'andro ny rano vatsian'ny JIRAMA eny Mandroseza aorian'ny fanarenana...

19 aprily — I Masindahy Léon IX dia papa teo anivon'ny Moyen-Âge. Bruno d'Eguisheim-Dagsburg no tena anarany ary teraka tao Eguisheim izy ny 21 jona 1002 ary maty tao Roma ny 19 aprily 1054. Nipoitra avy amin'ny fianakaviana andriana tao Alsace i Bruno ary evekan'i Toul izy no notendren'ny amperora ho papa ka nankatoavin'ny mpitondra fivavahana tao Roma izany.

Noho ny Batemy noraisina, na ny Papa na ny Eveka na ny Pretra na ny Relijiozy sy ny lahika dia vahoak'Andriamanitra, voaantso handray anjara amin'ny maha-mpisorona an'i Kristry. Raha vahoaka mpisorona ny vahoaka mandrafitra ny  atao hoe Eglizy dia miaina ny maha-mpisorona azy amin'ny alalan'ny vavaka ataony samirery na miaraka isan'andro... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.

• Nanamafy ny hanatanterahany ny hetsika ny avy amin'ny mpanohitra, manoloana ny fahatongavan'ireo vahiny hanatrika ny Fihaonana an-tampon'ny Vaomieran'ny Ranomasimbe Indiana... • Handray fepetra manokana ny mpitandro ny filaminana, mandritra ireo hetsika lehibe eto amin'ny firenena ny 23 sy 24 avrily 2025, araka ny tinapaky ny EMMONAT... • Tsy maintsy ho vita mialoha ny volana aogositra 2026, araka ny fe-potoana voafaritry ny lalana, ny fifidianana eo anivon'ny UCTU, hoy ny filohany...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...