♦ Misokatra ho an'ny taom-pianarana 2024-2025 ny Oniversite Don Bosco ASJA, ao amin'ny Diôsezin'i Moramanga... ♦ Antoky ny fiainana mandrakizay ny Fanahy Masina, hoy ny fampianaran'ny Ray masina tamin'ny alarobia 16 ôktôbra 2024... ♦ Manana ny anjara toerany avokoa ny olona tsirairay avy, ao amin'ny fianakaviambe maneran-tany, ka tokony tsy hisy olona iharan'ny fanilihana...

16 oktobra, andro eran-tany ho an'ny sakafo. Mandray anjara goavana amin'izay famokarana sakafo izay ny famokarana tantanam-pianakaviana, dia ireo tantsaha 80% amin'ny mponina eto Madagasikara. Miantoka ny 60% amin'ny sakafo eto Madagasikara ny malagasy tantsaha. Miantsoroka ny 70% mahery amin'ny vokatra aondrana. Miantoka ny 26% amin'ny Famokarana Faobe eto Madagasikara na ny PIB ny sehatr'asan'izy ireo...

♦ Ho fantatra anio izay handrombaka ny fandresena amin'ny andiany fahatelo amin'ny fifaninanana fomokarana horonan-tsary fohy, natokana ho an'ny tanora, izay karakarain'ny fikambanana Salezianina Don Bosco. Horonan-tsary 3 amin'ireo 120 tafakatra amin'ny famaranana, any New York, no novokarin'ny tanora Malagasy... ♦ Porofon'ny tsy fananan'ny fitondrana pôlitika matotra, ny olan'ny rano sy jiro izay iainan'ny mponin'Antananarivo ankehitriny, hoy ny antoko Humaniste écologique... ♦ Miovaova ny fahazotoan'ny ray aman-dreny mampanao vakisiny ny zanany ao Antsirabe...

Ny 22, 23, 24 oktobre ho avy izao ny fikaonandoha mikasika ny VIH/SIDA eto amin’ny ranomasimbe Indiana., fotoana iray izay hafahantsika eto Madagasikara hisitraka ireo tolotra maro toy ny fizahana ara-pahasalamana maimaipoana : VIH/SIDA, fijerena sokajin-drà, homamiadan’ny vozon'ny tranon-jaza sy nono. Isaky ny 4 taona no mandray izany hetsika izany ny eto madagasikara ka ity indray mitoraka ity dia hanatrika izany ireo tompon'andraikitra iraisam-pirenena toy ny avy amin’ny ONUSIDA, fond mondial mba ahafahana manao adisisika hampitomboana ny vola antokana amin’ny ady amin’ny VIH/SIDA... Fandaharana "miaina sy mitia" eto amin'ny radio Don Bosco, iarahana amin'ny ivon-toerana Arrupe.

[Miara-dàlana] Zoma 20 jona 2025

• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...