Tany am-piandohana i Masina Maria dia reny niteraka, reny nikolokolo, reny niahy an'i Jesoa fa taty aoriana dia toa mpianatra izy. Ny Eglizy Tatsinanana dia matetika maneho an'i Maria ho ilay Mpanoro lalana. Ny tanany, ny masony, ny fihetsiny sy ny fiainany manontolo dia katesizy velona satria mandrakariva izy dia manoro sy manondro an'i Jesoa... Katesizy momba ny vavaka miombona amin'i Masina Marie, iarahana amin'i P. Celestin Ravonjiarimalala.
3 desambra 2024 — Talata, Herinandro voalohany amin'ny Fiavian'ny Tompo— Avia, ry Tompo, vangio am-piadanana izahay mba hifalianay amin’ny fo lavorary — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka 10, 21-24
• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany, ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco