• Voaantso eny amin'ny PAC sy eny amin'ny BIANCO ny Sekretera Nasionalin'ny antoko AREMA, Annick Zoary Ratsiraka... • Tena miaina anaty fiaraha-monina hafahafa ny eto Madagasikara ankehitriny, hoy ny CRN. Marolafy mantsy ireo zavatra mafampana izay ahiana hitarika amin'ny korontana... • Ho entina aminao mpihaino amin'izao vaovao izao koa ny vaovao farany momba ny tetikasa Base Toliara...

♦ Mbola misy tsy afaka miteny hatramin'izao ireo mararin'ilay fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza noho ny fitsaboana azy ireo. Nitondra fanazavàna ny teo anivon'ny HJRA, omaly... ♦ Tsy tokony hotohizana intsony ny dinika amin'ny Frantsay momba ireo nosy malagasy manodidina hoy ny Profesora Ralison Roger... ♦ Mbola misy ny fanantenana ny ahitana ilay sambo tsy hita popoka tany Mahajanga hoy ny Ministry ny Fitanterana. Nambarany fa mbola tsy nisy ny porofo hatramin'izao manambara fa rendrika ny sambo... ♦ Mikaondoha anio ireo firenena mandrafitra ny Vondrona Eraopeana, mijery izay fepetra ho raisina hanasaziana an'i Israel...

Ny Teny "kiswahili" dia efa nisy tamin'ny taonjato faha-10, nivelatra hatrany izy na teo aza ny tosika nentin'ny teny "Malais". Ny teny kiswahili dia fitambaran'ny teny Arabo sy ny teny Bantou. Ny Arabo no maro nandraharaha ara-barotra sy nivezivezy tamin'ny ilany Avaratra sy atsinanin'i Afrika. Maro ireo teny Malagasy no manandrify ny teny kiswahili (kamba ≈ Makamba, Nanasi ≈ Mananasy, Arahaba ≈ Miarahaba) Velona sy mivoatra ny teny Kiswahili, isan'ireny ny fampiasantsika Malagasy ny voambolana "FONJA" izay manana hevitra hoe fanidina amin'ny toerana iray, "FONGA" amin'ny teny Kiswahili...

♦ Nilaza ny tonia mpampanoa lalàna eo anivon'ny fitsaràna omaly fa tsy azo havoaka ho fantatry ny rehetra ny anaran'ilay singa hita tamin'ny fitiliana tany Frantsa, momba ny raharaha Ambohimalaza... ♦ Tsy mbola nisy laza adina bakalôrea 2025 nivoaka mialoha ny fotoana hoy ny eo anivon'ny Ministeran'ny Fampianarana Ambaraotonga Ambony, omaly. Miantso ireo mpiadina, ray aman-dreny mba tsy hanana ahiahy izy ireo... ♦ Olona miisa telo no voasambotra ary mbola tsy tafaverina amin'ny fianakaviany, vokatry ny raharaha Base Toliara. Nafampàna ny toe-draharaha nanomboka ny faran'ny herinandro teo, hoy i Elia Rabevahiny, zanak'i Toliara-II...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 25 aogositra 2025

• Ho kristianina mitondra hazavana sy hafanana, hanome hafaliana sy fanantenana ho an'ny hafa. Izany hafatry ny Arsevekan'Antananarivon, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Diosezin'Antananarivo... • Nitombo roa indray ny pretra Saleziana Don Bosco. Notanterahana omaly, tany Betafo, ny fanamasinana azy ireo... • Nanatanteraka ny Andro Voalohany ho an'ny Ankizy tao amin'ny Diosezin'i Farafangana, nanomboka ny 22 hatramin'ny 25 aogositra 2025... 

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...