Raha tsy manana tanjona mazava ireo mpifankatia dia mety ho fitiavana voapoizina no hifampizaràna. Betsaka ny mpivady no tsy mifankafantatra tsara ka rehefa ao anaty tokan-trano vao tojo olana samihafa. Ny fitiavana dia tokony hanjakan'ny fifampiresahana, fifanankalozan-kevitra. Ny toerana tsara hanaovana ny vavaka : eo am-baravarana, an-dakozia, efitra fandriana... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.

06 aprily — I Marcellin dia sekreteram-panjakan'ny amperora Honorius ary maty martiry tamin'ny 13 septambra 413. I Masindahy Augustin no tena nanoratra ny momba azy, ary nisy mihitsy aza asa soratra maneho ny fiderana ny hatsaram-panahy sy ny fitondran-tena mendrika nataon'ity mpiasam-panjakana ity.

Alahady 06 aprily 2025 ; Alahady faha-5 - taona "D" karemy : FIAINAM-BAOVAO NY PAKA. Ario lavitra anareo ny fahadisoana rehetra nataonareo, hoy ny Tompo, ary manaova fo vaovao sy saina vaovao. Ny teny nivoaka tamin'ny vavan'i Jesoa dia sahala amin'ny sabatra maranitra natsatoka tamin'ny fon'ireo mpiampanga "Izay tsy manam-pahotana aminareo no aoka hitoraka azy voalohany". Mirongatra ho azy ao anatintsika ny fiheverena mitovy amin'ny farisianina sy ny mpanora-dalàna, mendrika ho saziana mafy ny manao tsy mety, izay valin-teny araka ny fo fotsiny ; amin'i Jesoa anefa dia ilaina ny fandanjalanjàna ny zavatra tokony hatao, fihetsika tsara natao ny hoe tsy hitsara fa hamonjy...

♦ Manoloana ny fitrandrahana harena an-kibon'ny tany any Toliara dia misy ny fanambarana navoakan'ny Arsidiôsezin'i Toliara... ♦ Malagasy hatrany amin'ny 240.000 no ho voakasika mivantana amin'ny fanapahan-kevitr'i Etazonia amin'ny resaka haban-tseranana hoy ny Randrana Sendikaly... ♦ Efa ôfisialy izao fa i Madagasikara no handray ny fihaonambe faha-8 ny tanora Afrikaéna mifandray, na ny "Youth Connect Africa Summit", izay ho tontosaina ny volana novambra 2025... ♦ Maherin'ny 39.000 ireo ankizy kamboty vokatry ny ady nanafihan'i Israely tany Gaza, nanomboka ny volana ôktôbra 2023 no mankaty...

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...