15 mey — Masindahy Isidore tsarona izao dia ilay niaina teo anelanelan'ny taona 1070 ka hatramin'ny 1130. Teraka nanodidina ny taona 1070 teo mantsy i Isidore, tsy mba nanam-bola aman-karena ny ray aman-dreniny fa ny oha-pitondran-tena tsara, sy ny finoana, ary fahatahorana an'Andriamanitra no nampianariny azy.

♦Notanterahana androany tany Toliara ny filan-kevitry ny ministra izay notarihan'ny Filohan'ny Repoblika Andry Rajoelina... ♦ Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena androany ilay tolo-dalàna izay manitsy ny andininy sasantsasany tamin'ilay lalàna nivoaka ny taona 1960 mahakasika ny halatr'omby... ♦ Mitana anjara toerana lehibe amin'ny tsenan'ny karbôna ao amin'ny Faritra Sofia ny ala honko, izay mirefy 50.000 Hektara... ♦ Nivavaka ho an'i Papa Léon-XIV, tao amin'ny Chapelle Pauline ireo mpitondra fivavahana Tatsinanana manaraka ny fombam-pivavahana Copte, tamin'ny alatsinainy teo...

♦ Laha-dinika mandritra ny filan-kevitry ny ministra sy governemanta atao any an-drenivohitry ny Faritra Atsimo, ao Toliara anio ny momba ny fanantanterahana ny tetik'asa Base Toliara... ♦ Fikambanana iraisam-pirenena momba ny asa na ny OIT : 3.000.000 isan-taona ireo mpiasa mamoy ny ainy eo amperinasa manerantany... ♦ Norombahan'ny Profesora Lily Arison René de Rolland ny amboara ho an'ny "Prix Indianapolis 2025". Ny tenany izay nanompana ny fikarohany tamin'ny fiarovana ny vorona... ♦ Sokajian'ireo Kristianina ao amin'ny kaontinanta Aziatiaka ho Papan'ny olona mahantra sy ireo voahilikilika ary miasa ho an'ny fahamarinana ara-tsôsialy ny Papa Léon-XIV...

♦ Miantso ireo rehetra manam-baovao momba ny raharaha Tricha sy Raissa ny Brigade Criminelle mba hanome vaovao azy ireo, anio alarobia 14 mey no hiakatra fampanohavana eny amin'ny Fitsaràna Anosy ny raharaha Raissa...♦ Vita sonia omaly teny amin'ny lapam-panjakàna Iavoloha ny fifanaraham-piaraha-miasa amin'ny fanatanterahana ny tetik'asa SAHOFIKA. Ivon-toerana lehibe hamokatra herinaratra 192 MW ho an'ny tambazotra iraisan'Antananarivo... ♦ Nomelohin'ny Fitsaràna tao Paris, sazy miantona 18 volana ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika malaza Frantsay Gérard Depardieu, noho ny resaka herisetra ara-nofo...

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...