♦ Ambana ho an'ny tontolon'ny asa fanaovan-gazety ankehitriny ny firoboroboan'ny teknôlôjian'ny fifandraisana ka nipoiran'ny saina voatran'olombelona hoy ny mpanao gazety Lova Rabary... ♦ Hitafa amin'ny vahoaka Malagasy ny filohan'ny repôblika Andry Rajoelina rahampitso... ♦ Sarotra ny hanafoana ireo taxi-bicyclette izay efa miasa ao an-drenivohitra ao fa ny faritra hiasany no tokony ho ferana, hoy Mahery Miller, mpanolontsainan'ny tanàna ao Antananarivo-renivohitra... ♦ Mifanentana hanao hetsika goavana anio sabotsy ireo antoko pôlitika any Mali...
♦ Mihemotra ny laharan'i Madagasikara eo amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovan-gazety. Very toerana 13 isika raha ampitahaina ny laharana tamin'ny taona-dasa... ♦ Sarotra ny hilaza fa tena malalaka amin'ny fanatanterahana ny asany ny mpanao gazety eto Madagasikara, indrindra hatramin'ny fotoana nampiroborobo ny tontolo nomerika, hoy James Ramaroson, filohan'ny OJM teo aloha... ♦ Tsy afa-bela fa voatazon'ny fitsaràna ambony, ny 30 volana sazy mihantona, ho an'ny mpitarika ny Randrana Sendikaly sy ny filohan'ny Seces sampana Antananarivo... ♦ Efa tafapetraka eo amin'ny tafon'ny Chapelle sixtine, hanaovana conclace ny cheminée hamantarana ny voka-pifidianana Papa...
03 mey — I Masindahy Philippe dia teraka tao Bethsaïde akaikin'ny farihy ao Tiberiade toa an-dry Pierre sy André. I Masindahy Jacques resahina eto dia ilay antsoina hoe : Jacques le Mineur, na azo atao amin'ny teny malagasy hoe : Jacques zandriny. Mba hanavahana azy amin'i Jacques le Majeur no hiantsoana azy tahaka izany.
Ny Kristianina tsy katôlika dia tsy raisina ho toy ny mpankato na mpivoy fampianaran-diso izy ireny fa toy ny rahalahy tafasaraka. Maro amin'izy ireny ny manome toeram-boninahitra ny Soratra Masina ankatoaviny ho fitsipi-pinoana sy fitondran-tena. Maro ireo maneho zoto eo amin'ny fitiavam-bavaka ary mino am-pitiavana an'Andriamanitra Ray Mahefa... Katesizy momba ny Eglizy fahazavan'izao tontolo izao, iarahana amin'i P. Randriamiarantsoa Germain Thierry.
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco