Marihana isaky ny 20 May ny andro eran-tany hoan’ny tantely. Mamokatra tantely 3 arivo hatramin’ny 4 arivo taonina isan-taona isika araka ny tarehimarika navoakan’ny EDBM tamin’ny taona 2023. Laharana fahafito aty Afrika amin’ny famokarana tantely i Madagasikara. Efa ela no niompy tantely ny malagasy ary manana karazana tantely maro koa noho ny fananana hazo sy zava-maniry hamokarana ny mamin-tantely. Manome lanja manokana ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely ny tranoben’ny tantsaha mampokatra nasionaly...
• Tompon'andraikitra miisa valo eo anivon'ny hopitalin'ny miaramila eny Sovinandriana no nosoloina, nandritra ny Filankevitry ny Minisitra omaly, natao tany Nosy-Be... • Fitiavan-tseza no antony voalohany tsy nahatanterahan'ny fampiharana ny tondrozotra tamin'ny krizy 2009, saingy misy ireo minia manadino ny tantara, hoy i Alain Andriamiseza... • Miaina anaty fiaraha-monina feno herisetra ny firenena malagasy ankehitriny, hoy ny mpahay fiaraha-monin Paul Rabary...
23 mey — I masindahy Didier dia avy au Autun ary voatendry ho eveka tao Vienne tamin'ny 595. Tamin'izany fotoana izany dia ny mpanjakavavy Brunehaut na Bruehilde no nitondra an'i Austrasie, satria mbola tsy ampy taona ny zafikeliny izay handimby eo amin'ny fitondrana.
• Tokantrano maherin'ny 2 hetsy sy 1 tapitrisa avy amin'ny faritra 22 eto Madagasikara ankehitriny, no misitraka ny tetikasa Hataon'aina izay tanterahan'ny FID... • Niroso tamin'ny fandravana trano miorina tsy ara-dalana teo amin'ny taniny teny Manazary Betsizaraina Ilafy androany, ny orinasa SEIMAD... • Miantso ireo Parlementera mba hijoro sy hiaro ny tombontsoan'ny vahoaka nifidy azy ireo, ny antoko MMM, tao anatin'ny fanambarana navoakany...
• “Fohazo izay matory”, hoy i Mgr Jean de Dieu Raoelison tamin'ireo ankohonam-panabeazan'ny Sekoly Katolika, tamin'ny fanokafana ofisialy ny taom-panabeazana 2026-2027, ho an'ny Arsidiosezin'Antananarivo… • Mankalaza ny faha-200 taona niorenany ny fikambanan'ny Oblats de Marie Immaculée… • Dimampolo taona teto Madagasikara ny Orionistes, nanamarika izany ny Diosezin'Ambanja…
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco