18 marsa — I Cyrille de Jérusalem dia teraka tao Jerosalema nanodidina ny taona 315. I Acace, arseveka tao Césarée no nifidy azy ho eveka hisolo an'i Maxime ny taona 350. Vetivety foana anefa dia tsy nifankahazo i Cyrille sy i Acace satria nisy adihevitra teôlôjika tamin'izany vokatry ny Kônsily tao Nicée nanameloka ny fampianaran-diso nataon'i Arius.
• Mbola tsy nankatoa ny fifanarahana Afrikana momba ny Zon'ny Vehivavy i Madagasikara... • Ny 80%-n'ny hazo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara, dia fanao fanafody avokoa. Saingy efa manomboka ho ringana anefa izy ireo, vokatry ny fanimbana ny tontolo iainana ataon'ny olombelona... • Mitsipaka tanteraka ny fikasan'ny Kaominina Antananarivo Renivohitra hanoloana ny “Licence Taxi” isan-taona, izay handoavana vola 250.000 Ariary, ny mpitondra fiara karetsaka mivondrona ao amin'ny FTAR...
• Namangy ny Aomoneria Katolikan'ny Oniversiten'Antsiranana, i Mgr Benjamin Marc Ramaroson omaly 16 marsa 2025... • Nosokafana omaly tao amin'ny Diosezin'i Morondava ny fankalazana ny faha-800 taonan'ny namoronan'i Masindahy François d'Assise ny “Cantique des créatures” na ny Antsan'ny zavaboahary... • Toerana iampitan'ny fahazavan'Andriamanitra ny tobim-pahasalamana, hoy ny Papa François omaly, tao anatin'ny fandalinam-pinoana nomaniny, nozaraina tao amin'ny tranonkalam-pifandraisan'ny Vatican...
• Zava-dehibe ny fanamafisana ny fijerena ny maha olona, hoy ny Evekan'Antsiranana, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, nandritra ny fitsidihana ny Aomoneria Katolika eny amin'ny Oniversiten'Antsiranana... • Nanatanteraka hetsika nanehoany ny tsy fahafaliany, vokatry ny fiainana ny delestazy efa am-bolana maro, ireo mpanjifa any Morombe... • Nitrangana lozam-pifamoivoizana teo Anosimasina Moramanga, Lalam-pirenena faha-44, omaly maraina tokony ho tamin'ny 4 ora. Lehilahy iray no maty vokatr'izany...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco