• Miatrika fiofanana eto an-drenivohitra ireo mpampiofana amin'ny fanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena, hiparitaka any amin'ny faritra samihafa. Fiofanana mandritra ny telo andro, karakarain'ny FFKM... • Tanterahana any Manakara nanomboka omaly ny fifaninanana lalao ara-panatanjahantena ho an'ny mpiasam-panjakana, na ny ASIEF. Nanokatra izany ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kolonely Randrianirina Michaël... • Miantso ny tanora hitondra ny heviny amin'ny dingana famolavolana ny tetibolam-panjakana lasitra ho an'ny taona 2027, ny Filohan'ny Observatoire de la Jeunesse, Lanto Ratsida...
• Miainga amin'ny fametrahana ireo rafitra mpitarika ny fakan-kevitra hatrany amin'ny kaominina, ny fanafainganana ny asa hotanterahina amin'ny fikaonandoham-pirenena. Fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Vovonana RDM... • Tsy nahazo rariny teny amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalam-panorenana, tamin'ny fitoriana napetrany ny antoko Kintana... • Niabo ny vokatra azon'ny CRS tamin'ny asa nataony amin'ny fanjarian-tsakafo, tany amin'ny faritra iasany. Nizara ny fomba fiasany amin'ireo tetikasa fampanjariana sakafo sahaniny izy ireo omaly...
• Tsy ho ampy ny fotoana fito volana hakana hevitra hatrany ifotony amin'ny fikaonandoham-pirenena, araka ny tetiandro navoakan'ny FFKM, raha ny fijerin'ny Filohan'ny Vovonana RMDM... • Tokony homena ny teknisianina ny fitantanana ny toe-karena eto Madagasikara. Mila ajoro ny andrim-panjakana manokana hisahana izany, hoy ny manam-pahaizana momba ny fitantanana raharaham-panjakana... • Nizara ny fomba fiasany amin'ireo tetikasa fampanjariana sakafo sahaniny, ny Catholic Relief Services. Nisy ny atrikasa teny Antaninarenina androany...
• Anatin'ny lahadinika hiadian-kevitra momba ny faharetan'ny fe-potoana hitantanana ny tetikasa Volobe Amont, ny fitondram-panjakana sy ny Consortium CGHB amin'izao fotoana izao... • Nisy fiakarany 0,51% ny isan'ireo vahiny mpizaha tany tonga teto Madagasikara, tao anatin'ny enim-bolana voalohany tamin'ity taona ity... • Tsy afaka mandefa solontena ao anatin'ilay Vaomiera mpanisa mpifidy eny ifotony, ireo antoko politika lehibe eto Madagasikara, hoy ny Filohan'ny CENI, Thierry Rakotonarivo...
• Tontosa ny alakamisy 15 ôktôbra 2026 tany amin'ny Diosezin'Ambositra, ny fanokafana amin'ny fomba ofisialy ny Taom-pianarana 2026-2027 eo anivon'ny Sekoly Katolika manerana an'i Madagasikara... • Hotontosaina ny 8 nôvambra 2026 ny fanamasinana ho Eveka an'i Mgr Mariusz Kasperski, Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiôsezin'i Toamasina... • Nisaotra ireo mpino nivavaka ho azy tamin'ny fandidiana azy ny Ray masina, nandritra ny Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco