♦ .Tsy handefitra ary vonona hiatrika ny ady amin'ny fanakorontanana atao amin'ny fitondrana fanavaozana ny Praiministra Mamitiana Rajaonarison araka ny nambarany omaly teny amin'ny Lapam-panjakàna Mahazoarivo.. ♦ Mpitandron'ny filaminana maherin'ny 600 isa no hahetsika eto Antananarivo, hiverina ihany koa ny fisavana ireo fiara manana fitaratra mainty (vitre fumée) hoy ny avy eo anivon'ny EmmoNat... ♦ Feno ireo mpikambana mandrafitra ny birao maharitry ny CENI. Nandray ny asany nanomboka omaly ny solontenan'ny Filohan'ny Fanavaozana, Ramatoa Anne Raymonde...

Ny Evanjely na ny Tenin'Andriamanitra izay nohenoina na zaraina tamin'ny alalan'ny toriteny dia tokony ho hita amin'ny fiainana andavanandro ny fampiharana azy. Tsy ampy fotsiny ary noho izany ny mihaino fa ilaina koa ny mampihatra azy eo amin'ny fiainana andavanandro. Ny asa eto an-tany dia toerana hanompoana an'Andriamanitra sy ny namana... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy " Ny hafaliana sy ny fanantenana ", iarahana amin'i P. Ravonjiarimalala Célèstin.

♦ Nahavita ny fianianany androany, Ramatoa Anne Raymonde, Mpikambana vaovao mandrafitra ny Birao Maharitra eo anivon'ny CENI. Izy izay solontenan'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara ao amin'ity vaomiera ity... ♦ Nihaona tamin'ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblikan'i Madagasikara, teny amin'ny Lapam-panjakàna Iavoloha, ny solontenan'ny FMI, eto Madagasikara Kodjovi Eklou. Niompana tamin'ny fiaraha-miasa ny dinika... ♦ Naneho hevitra andraony ny Sendiakan'ny Miray Feo. Manimba ny sain'ny mpiasa no sady lasa sakana ny fivoizana vaovao tsy marina momba ny karama farany ambany 360.000Ariary... 

♦ Heverin'ny H.V.M ho fihatsiana sy fandrahonana ny raharaham-pirenena tato ho ato, indrindra ilay nitranga teny Ivandry ny zoma alina teo. Namoaka fanambaràna momba izany ny antoko H.V.M... ♦ Nisy akony sahady amin'ny naoty azon'i Madagasikara momba ny kalitaon'ny tolotra omena ny mpandeha ny fanavaozana sy fanitarana ny tranon-tseranana nasiônalin'ny Seranam-piaramanidina ety Ivato... ♦ Nampiatoana tamin'ny asany ireo mpiasan'ny Zaridainan'Andohalo nitaky vola tamin'ireo mpiadina BEPC sy ray aman-dreny, misakafo eny an-toerana... ♦ Lasibatry ny tafio-drivotra mahery sy ora-mikija ny faritra atsimon'i Chine...

[Miara-dàlana] Zoma 28 aogositra 2026

• Tanterahina ao Sambava ny JMJ andiany faha-7 ho an'ny Arsidiosezin'Antsiranana, nanomboka ny alarobia 26 aogositra 2026... • Manatanteraka ny fihaonambe voalohany ny Vovonan'ny Olondehibe ao amin'ny Diosezin'i Farafangana, mandritra ny telo andro... • Notanterahina tao Vatican ny fihaonana iraisam-pirenena, nandinihina manokana ny momba ny loza ateraky ny fikirakirana sy ny fanondranana zava-mahadomelina, nokarakarain'ny Departementa PLAPA ao amin'ny CELAM...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...